mercredi 17 novembre 2010

COMMUNIQUE DES MILITAIRES

Traduction libre résumé FANAMBARANA VOALOHANY


Dans sa déclaration de ce matin, l'armée malagasy déclare
1. La prise de pouvoir par le comité militaire

2. les liquidations des affaires courantes seront executés par les secrétaires généraux des ministères
3. Les exilés politiques ssans exception sont invités à revenir au pays
4. Les prisonniers politiques sont libérés dès ce jour sans condition

----------------------------------------------------------------------------------------------------
KOMITY MIARAMILA HO AN'NY FANAVOTAM-PIRENENA

Ry Vahoaka malagasy mpiray tanindrazana,
Valo amby folo volana izay no niandrandrantsika rehetra vahaolana maharitra mba ho famahana ny krizy politika eto amin'ny firenena. Indrisy anefa fa dia mbola samy miziriziry amin'ny heviny avy na ny andaniny na ny ankilany, ka ny malagasy no mizaka ny voka-dratsin'ny hambom-po diso toerana izay mitarika fahantrana mangitsokitsoka amin'ny vahoaka.
Manjaka ny tany tsy tan-dalàna sy ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena, manjaka ny fanamparam-pahefana, very fanahy mbola velona na ny mpanao politika na ny mpandraharaha, indrindra ny vahoaka tsy mandady harona satria tsy misy ny fandriam-pahalemana amin'ny lafiny rehetra.
Eo anatrehan'izany dia mahatsiaro manana adidy ny foloalindahy malagasy koa nanapa-kevitra sy mandray izao andraikitra manaraka izao :
- Atomboka ny fampihavanam-pirenena tena izy, tsy misy anilihana na iza na iza
- Avoaka ireo rehetra voafonja noho ny antony politika
- Antsoina ireo rehetra voasesi-tany any ivelany hiverina eto an-tanindrazana hiara-hanarina ny tanindrazana iombonana
- Rava manomboka izao ny andrim-panjakana rehetra misy ary ny Komity miaramila ho fanavotam-pirenena no mitantana vonjimaika ny raharaha-mpirenena
- Ankinina amin'ny sekretera jeneraly ny fampandehanana ny raharaham-panjakana eo amin'ny ministera isan'isany.
Koa antsoina ny miaramila sy zandary ary polisy hamonjy ny Toby niaviany avy.
Aoka ho tony isika vahoaka ary hifanome tanana aminay indrindra eo amin'ny lafiny fandriam-pahalemana;



HO AN'NY TANINDRAZANA

1 commentaire:

  1. TSARA NY FANAMBARANA RAHA TOA KA TENA IZY FA NY TSAPAKO NANOMBOKA OMALY 21/11/10 DIA TOA CINEMA NATAO FOTSINY HISAMBORANA AN' I COLONNEL KOTITY SY GENERAL RAPANOELINA FOTSINY ILAY IZY.
    LEGAL 128

    RépondreSupprimer


Le GTT INTERNATIONAL, collectif de la diaspora malagasy, dont le siège est à Genève (CH), poursuit un double objectif: la restauration de l'Etat de droit et le rétablissement de la Démocratie à Madagascar. Il prône et oeuvre pour la liberté d'expression, la prise de conscience citoyenne et la mise en place d'une vraie démocratie dont l'exigence première est la tenue d'un processus électoral inclusif, libre et transparent ".