vendredi 3 décembre 2010

Affaire du BANI: Que la vérité éclate: La version de nos militaires en exclusivité

Les militaires relatent le chamboulement dans l'armée malgache et les mesquineries des gendarmes acquis à la cause des putschistes

--------------------------------------------
Raharaha miaramila ny zavatra nitranga teny amin’ny Bani ivato




Tsy tokony hoadinoina ny zava-nitranga teo anivon’ny tafika malagasy mialohan’ny nahatafapetraka ny fitondrana FAT ankehitriny:

-Ny nialan’ny miaramila tao anatin’ny fifampfehezana : fiokon’ireo manam-boninahitra lefitra tao amin’ny CAPSAT,

-Akon’ny nakana ny lapan’ambohitsorohatra : fananihana lapa nataon’ireo sivily izay notarihin’ireo mpanao politika sy manamboninahitra sasatsasany, ny fitifiran’ireo mpiandry lapa (gardes présidentielles) ireo mpanani-dapa,

-Ny fanomezana fahefana ny Directoire militaire izay nisy ny fisandohana fizokiana (le plus ancien dans le grade le plus élevé), ary ny famindrana izany fahefana izany tamin’ny mpanao politika izay efa nikomikomina ny fanonganam-panjakana tamin’izany .

-Ny fahitana fa fitaovana nentin’ny fitondrana FAT nandrombaka ny fahefana ny miaramila ary mbola fitaovana ihany koa entiny manohana ny fizirizirina amin’ny tsy fanekena vaha olana iraisana sy tena maharitra ankehitriny (fanaovana hery famoretana etsy sy eroa amin’ireo izay te haneho hevitra ...)

-Tsy mipetraka intsony ny fanajana ny sata maha miaramila: fanajana ny fizokiana, tsy fiandanina ...

-Tsy manatanteraka intsony ny anjara andraikitra tokony hiantsoroany eo amin’ny firenena ny miaramila fa lasa mpiaro ny tombon-tsoan’ny mpanao politika fotsiny. Zary lasa fitadiavana tombon-tsoa manokana sisa ny asan’izy ireo fa tsy fanompoana ny tanindrazana intsony.

-Efa mizarazara loatra ny tafika satria betsaka ny disadisa nateraky: ny fanohanana mpanao politika tamin’ny “alternance de pouvoir “ nifandimby teto amin’ny firenena, ny nanalana ankeriny (fandrahonan’ireo sous-officiers tamin’ny fitaovam-piadina) ireo nitana “commandement “ tamin’izany.

Ireo rehetra ireo sy izay sisa tsy voatanisa dia miteraka faharavana eo anivon’ny tafika ka ilàna fitadiavana vaha olana tena mahomby ary tokony andraisan’ ny miaramila tsy misy ankanavaka anjara.
Manoloana izany toe-javatra izany indrindra no nampijoro ny “cellule opération pour la sortie de crise à Madagascar”fivondronana manam-bononahitra sy manam-bononahitra lefitra sasan-tsasany izay vonona hiroso amin’ny fitadiavana vaha olana eo anivon’ny tafika hamerenana amin’ny laoniny ny “ éthique militaire” , ary ho fanavotam-pirenena. Satria na dia teo aza ny “assise militaire” dia tsy nahitam-bokany izany.
Inona no efa nataon’io cellule opération io?

-Namory ny manam-boninahitra jeneraly efa retirety, zoky ray aman-dreny eo amin’ny tafika hiara hikaon-doha sy hifanome toro hevitra amin’ireo manam-boninahitra mbola am-perinasa teny min’ny la résidence Ankerana. Nisy ny “résolution” tapaka nandritra izany.

-Nihezaka hatrany ny hanaitra ireo mpitondra fanjakana manoloana ny fihoram-pefy ataony : nanaovana fanambarana nanoloana ny tsy fanajana ny zo’ny olom-pirenena: tsy namelana azy ireo hivezivezy malalaka ary ny nanaovana sesi-tany ny mpanao politika nandeha nitady vaha olana iraisana ho an’ny firenena tany Maputo; ny fiantsoana ireo miaramila tsy hiandany .

-Niara namondrona ny hery tamin’ireo miaramila tonga saina rehetra ka nanao ny fanambarana teny amin’ny Bani Ivato.

Inona ny zavatra tsy fantatry ny olona tamin’iny zava-nitranga teny amin’ny Bani Ivato iny?

Ny tanjon’ireo miaramila teny Ivato:

1- lakilosy fanairana amin’ny mbola tsy fivahan’ny olana misy eo amin’ny firenena ( betsaka ireo vondrona hafa manao ny fitakiana: mpitsabo, mpitsara, mpampianatra mpikaroka...) sy ny tokony hanarenana ny tafika izay efa mizarazara tanteraka ka zary loza mitatao eto amin’ny firenena.

2- Fanairana ireo miaramila sy fisintonana azy ireo hiala amin’ny “instrumentalisation”-ny FAT ka mahatonga ity farany hiziriziry amin’ny heviny “unilatéralisme” tsy hirosoana amin’ny fitadiavana sy fanatanterahana ny vaha olana miaraka “consensuel” eo amin’ny samy malagasy.

3- fanombohana (Préalable) amin’ny famerenana ny “unité de l’armée” mba ho fisorohana ny fiverimberenan’ny krizy , fa tena ho “force executoire” amin’ny famahana ny olana eto amin’ny firenena.

Mahakasika ny fizotran’ny zava-nitranga:

1- Ireo manam-bononahitra nijoro teny amin’ny Bani Ivato dia solo-tenan’ireo miara-mila maro izay efa samy tonga saina amin’ny zavatra tsy mety eo anivon’ny tafika ary vonona ny hiroso amin’ny fitadiavana ny vaha olana.

2- Nahazoana alalana tamin’ny “chef de corps” sy tso-drano tamin’ny “chef d’Etat major” ny nidirana teny amin’ny Bani Ivato sy nanaovana ny fanambarana. Hita taratra izany raha tsy hijery fotsiny ny fahavononan’ny CEMGAM hiroso amin’ny “négociation”. Moa ve mbola azo lazaina ho “rébellion” ny nataon’izy ireo amin’izany. Nisy anefa ny fivadihan-kevitra noho ny antony maro (pression politique, marchandage, fandrahonana ny hanalana azy amin’ny toerany...)

3- Izy ireo ihany koa dia te hanome ohatra ireo mpanao polititika fa noho ny maha ambony ny tombon-tsoam-pirenene sy fanehoana fahavononana amin’ny famerenana ny “unité” eo amin’ny tafika dia afaka nifanantona sy nifamela izy ireo na dia teo aza ny disadisa sy fifanenjehana efa nisy.

Marihina fa manam-boninahitra nandray anjara tamin’ny fametrahana ny “alternance de pouvoir” teto Madagasikara ny sasany tamin’izy ireo.

4- Maro ireo miaramila ni-“adhéré” tamin’iny hetsika natao teny Ivato iny nefa tsy sahy maneho hevitra sy mijoro ankehitriny noho ny fandrahonana fanagadrana sy ho fitandroana ny ain’izy ireo.

5- Mialoha ny nanafihana ireo miaramila teny Ivato dia nisy ny fandresen-dahatra (fizarana vola) ireo miaramila “chefs de corps” mba hitana ny olo-peheziny tsy hivadika amin’ny fiarovana hatrany ny tombon-tsoan’ny FAT.

6- Ireo miaramila nanafika (FIS) dia zandary no betsaka, nefa toby miaramila no tafihana. Ary tsy andraikitr’izy ireo mihitsy izany. Midika izany fa voakaraman’ny mpanao politika sy miaramila miaro ny tombon-tsoan’ny mpanao politika indray izy ireo.

7- Mizarazara ary miova hatrany ny hevitr’ireo manamboninahitra eo anivon’ny fitondram-panjakana nandritra ireny tranga teny Ivato ireny:

-Ny CEMGAM: nilaza fa négociation no atao ary tsy ifampitifitra ny samy miaramila

- Ny PM nanambara mazava fa raharaha miaramila ity

-Ny minisitry ny foloalindahy kosa maneho tsy fahafaliam-po manoloana ny zava-nitranga. Marihina fa mialohan’ny hanatanterahan’ireo manamboninahitra ny hetsika nataon’izy ireo teny amin’ny Bani Ivato dia mbola nihezaka nampahafantatra ny vahoaka ny zava –miseho eo anivon’ny tafika izy ireo tao amina haino aman-jery iray ny amin’ ny fangalana ny vola 7milliards nataon’ny tompon’andraikitra ambony eo amin’ny tafika ao amin’ ny “Banque centrale”. Ka nisintoman’izy ireo ny sain’ny mpanara-baovao ny amin’ny anton’izany fangalana vola tao amin’ ny kitapom-bolam-panjakana izany sy ny mety hampiasana ireo vola ireo.

Ireo trangan-javatra ireo dia maneho fa na ireo miaramila samy eo amin’ ny fitondrana aza dia efa samy tsy mitovy hevitra. Misy ny mety efa tonga saina amin’ny tsy fetezan’ ny “position”-ny tafika manoloanana ny toe-draharaham-pirenena, misy ne mihezaka manarotsarona izany tsy fetezana izany mba ahafahana miaro hatrany ny tombon-tsoany. Misy kosa anefa ireo efa tonga saina sy niala tamin’izany fitondrana FAT izany.

Moa ve mbola misy fanantenana ny amin’ny tafika Malagasy izay tandroka natao hiaro ny vizona kitro hifaharan’ny firenena, antoka ho an’ireo olomp-pirenena Malagasy amin’ny fihoaram-pefy sy fizirizirina ataon’ ny mpanao politika.

Inona ny zavatra tokony ho fanatantsika sy hampiheritreretana antsika olom-pirena manan-jo ahafantatra ny tena marina ?

-Nahoana no fitsarana sivily indray no hitsarana ireo miaramila ireo nefa “raharaha” miaramila iny nitranga iny araka ny efa nohamafisin’ny mpriray minisitra. Moa ve mitombona ny “chef d’inculpation”-n’izy ireo: rebellion, atteinte à la sûreté de l’ « Etat » : f’angaha moa misy andrim-panjakana efa mipetraka sy olom-boafidy eto? moa ve nisy savorovoro naterak’iny zava-nitranga teny ivato iny? Moa ve tena fanakorontanana fa tsy fitadiavam-baha olana eo amin’ny tafika n y tanjon’ireo manam-bononahitra ireo?

-Nisy tamin’ireo manam-bononahitra eo amin’ny fitondrana ihany koa no nilaza fa tokony ampiharina amin’izy ireo ny lalàna satria tany misy lalàna eto. Moa ve tena mitombona izany fanamarihana izany amin’izao “contexte” izao? Afaka milaza ve fa misy ny “Etat de droit “ amin’izao fotoana izao?

-Misy tamin’ireo manam-boninahitra voasambotra teny amin’ny Bani Ivato no nalefa any amin’ny fonjan’ny tsiafahy nefa mbola “Mandat de dépôt” fotsiny izy ireo fa mbola tsy voapanga. Moa ve izany ny “ traitement” sahaza ny manam-boninahitra malagasy rehafa mandray ny andraikiny sy manatanteraka ny adidiny amin’ny maha ho an’ny Tanindrazana azy izy?

-Misy kosa anefa ireo nahazo liberté provisoire: ny Col Ndrenja Mahaleo sy ny Lieutenant Dera. Tsy fantatra inona ny antony.

Ny tanjona dia mba manana info marina ny olona . Isaky ny alakamisy sy Alahady hono ny fitsidihana ary tsy mifanatri-tava fa mifanoratra.

Ny Sakafo manta no haterina dia ry zare no mahandro zay .Mbola maka autorisation avy eny @ lehiben'ny fonja koa vao mahazo manatitra

Mampita hafatra ny mpandrinda GTT North America.

1 commentaire:


Le GTT INTERNATIONAL, collectif de la diaspora malagasy, dont le siège est à Genève (CH), poursuit un double objectif: la restauration de l'Etat de droit et le rétablissement de la Démocratie à Madagascar. Il prône et oeuvre pour la liberté d'expression, la prise de conscience citoyenne et la mise en place d'une vraie démocratie dont l'exigence première est la tenue d'un processus électoral inclusif, libre et transparent ".