samedi 29 janvier 2011

5 Février: Rendez Vous à PARIS organisé par tous les GTTs qui soutiennent le président élu Marc Ravalomanana

Antso avo : hetsika 5 febroary - Paris

2 taona izao, manohy ny asany ny mpandroba fahefana sy ny mpivarotra tanindrazana : famonoana ny Malagasy, fanapenam-bava ny Malagasy, fampidirana amponja tsy amin'antony, fanaovana herisetra sy horohoro, fanitsakitsahana ny zo maha olombelona sy ny hasin'ny firenena ary ny demokrasia.

Isika aty dilam-bato no andrandrain'ireo mpiray tanindrazana haneho eo anatrehan'izao tontolo izao ny horohoro sy ny fijalian'ny Malagasy noho ireo toetra mamohetra ireo.

Ny asabotsy 5 febroary ho avy izao : mila anao i Madagasikara hisolo vava ireo mpiray tanindrazana aminao, ireo ray aman-dreninao, ireo iray tampo aminao, ireo namanao any an-tanindrazana, ary ho an'ny taranakao. Inona àry no havalinao ?

Fotoana iray, ora vitsy no angatahiny aminao amin'izao taom-baovao izao. Raha tsy mankasitraka izao toe-javatra izao ianao, raha te-hampandresy ny fahamarinana sy ny ara-dalàna ianao, dia atsaharo ny resaka, ajanony ny fisentoana, raiso ny andraikitrao, taomy ny namanao malagasy na hafa firenena : mila ampahafantarina izao tontolo izao fa manana ny hasiny sy ny zony ny Malagasy, mila mijoro isika hampandray andraikitra ireo vondrona iraisam-pirenena isan-tsokajiny manoloana ny fanonganam-panjakana izay efa nohapangainy, ary hampanaja azy ireo ny ara-dalàna sy ny safidim-bahoaka malagasy. Tsy ny afrikana, tsy ny eropeana, tsy ny amerikana sns no hanao izany fa isika Malagasy.

Raha tsy mijoro hanohitra ny tsy rariny ianao, raha tsy hiloa-bava hanameloka ny tsy rariny ianao dia ho naman'ny mpiray tsikombakomba amin'ny tsy rariny. Koa fidio anio izay misy anao.

Ny toerana malalaka dia holazaina aoriana fa eto Paris no hanaovana izany, manomboka amin'ny 2 ora tolakandro ka hatramin'ny 5 ora hariva.

Ireo GTT mitambatra miaraka amin'ny Filoha Ravalomanana no mikarakara fa isika Malagasy mpanohana ny ara-dalàna no tompon'ny hetsika.

1 commentaire:

  1. No lazaiko eraky ny site malagasy maro ,fa efa alohalika ny ranombary ,ary ny antso hatao amin izao dia malefaka loatra ary tsy ny VOAMASONY NY mpitsirina ,ka maneo ny havitro eto ny tenanay .
    Misy lohahevitra Roa no hentina @ io hetsika io .
    NY FANALANA AN I RAJOELINA SY NY FANDRAVANA NY HAT IZAY VONDRON OLONA MPIVAROTANINDRAZANA SY JIOLAHY SY MPISOLOKY ARY MPANAO SESIBOLA HANAOVANDRATSY.
    ny faharoa:
    TSY ISIKA INDRAY NY HIETSARAiVELATSIHY ,KA TSY MAINTSY HAVOITRA ETO NY FANGATAHANA NY FAMPIATOHAN NY FRANTSAY IO FITONDRANA TSY ARA DALANA IO .
    Chataigner nilaza farany teo fa mireconnaitre ny état rehetra izay ,ka manohana ny état voyou koa ve izy ,somalie .... .
    NY hevitro ireo dia na bani ao tao @ sobika androany ka dia manatena ny malagasy hitraotra ao arinan ny 5 fevrier ,
    TSY HO ABAKAN NY TONISIANINA SNS AKORY ISIKA .
    ARY NY FIDINANA ANDALAMABE TSY HO ELA NO TANJONA

    RépondreSupprimer


Le GTT INTERNATIONAL, collectif de la diaspora malagasy, dont le siège est à Genève (CH), poursuit un double objectif: la restauration de l'Etat de droit et le rétablissement de la Démocratie à Madagascar. Il prône et oeuvre pour la liberté d'expression, la prise de conscience citoyenne et la mise en place d'une vraie démocratie dont l'exigence première est la tenue d'un processus électoral inclusif, libre et transparent ".