vendredi 21 janvier 2011

Tia Tanindrazana: Jeneraly Rakotonandrasana Noël Nanao ampamoaka avy eny Tsiafahy

Jeneraly Rakotonandrasana Noël Nanao ampamoaka avy eny Tsiafahy
21/01/2011
Nisy indray ny ampamoaka avy any amin’ny fonjan’i Tsiafahy. Nivoaka tsimoramora tao amin’ity fonjabe ity ilay antontan-taratasy ary nampitaina tamin’ny havana akaiky ireo manamboninahitra voatazona eny noho ny raharaha BANI.
Ireo no nampita tamin’ny mpanao gazety an’izany ampamoaka anaty soratra izany. Mbola masiatsiaka noho ny an’ny Lietnà-Kolonely Charles Andrianasoavina izany na dia mifameno tanteraka aza. Tsy iza fa ny Jeneraly Noël Rakotonandrasana no namoaka izay tsiambaratelon’ny mpanongam-panjakana izay nosoratany tao anaty antontan-taratasy folo pejy. Notantarainy tao avokoa ny momba ny fanonganam-panjakana (taloha, nandritra ary taoriana) sy ny manodidina azy (ireo olona rehetra izay nandray anjara sy nikononkonona tamin’izany ary ny mpamatsy vola). Raha fintinina dia nohamafisin’ity manamboninahitra jeneraly ity tokoa ny voalazan’ny lietnà-kolonely Andrianasoavina Charles fa tena fanonganam-panjakana no natao teto Madagasikara.
Ny tena nahatalanjona sy nampivarahontsana tamin’ity antontan-taratasy ity dia ny fanazavany ny momba ny “raharaha 7 febroary”. “Olona nokaramaina avokoa ireny nalefa teny Ambohitsorohitra ireny. Izany dia mba ho fanarahana ny soso-kevitry ny manamboninahitra iray izay nilaza fa tsy ho azo ny fanjakana raha tsy misy ra milatsaka. Dia nofitahina tokoa ireo olona ary nokaramaina mba ho...faty”, raha ny voarakitr’ilay sora-tanana. Marobe ny olona izay voatonona ao anatin’ity ampamoaka ity. Saika olona izay manana ny toerany eo amin’izao fitondrana tetezamita izao avokoa ireo. Raha tsy efa ministra dia manana toerana ambony ny ankamaroany. Maro ihany koa ny manamboninahitra izay misy jeneraly maro izay voatonona.
Hatramin’ny bokonozatra na “gros bras” aza dia nambaran’ity jeneraly ity fa nandray anjara mavitrika tao anatin’ny raharaha. Mbola nisongadina ihany koa ny saika nidongian’ny miaramila izay anisan’ireo be galona indrindra eto amintsika ny fitondrana. Raha tsy nambanana basy io farany, niaraka tamin’ireo jeneraly roa namany, dia nalainy ny fitondrana. Tsy nifanarahana hatrany am-boalohany anefa izany raha araka ny fanazavan’ny Jly Rakotonandrasana hatrany. Maro tsy voatanisa ary hita fa mipetrapetraka tsara sy manaraka ny vanim-potoana avokoa ny voalaza tao anatin’ilay atontan-taratasy izay nivoaka avy eny Tsiafahy ka tonga hatreny an-tanan’ny mpanao gazety. Mihabetsaka hatrany ankehitriny ny porofo fa tena fanonganam-panjakana no niseho teto amintsika ny taona 2009. Arahina izay mety ho fiantraikan’izany amin’ny tontolo politika...
r.d

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire


Le GTT INTERNATIONAL, collectif de la diaspora malagasy, dont le siège est à Genève (CH), poursuit un double objectif: la restauration de l'Etat de droit et le rétablissement de la Démocratie à Madagascar. Il prône et oeuvre pour la liberté d'expression, la prise de conscience citoyenne et la mise en place d'une vraie démocratie dont l'exigence première est la tenue d'un processus électoral inclusif, libre et transparent ".