lundi 28 mars 2011

COMMUNIQUE: PLATE-FORME DE CONCERTATION DES AGENTS PUBLICS DE L’ETAT

Manoloana ny trangan-javatra tsy niseho tamin’ny Zoma 11 Martsa 2011, mikasika ny tolona ho famahana ny krizy, dia ny fisintahan’ny mpitarika sasantsasany nanaraka an’Atoa RAKOTOARISON Yves Aimé tato amin’ny firehana « RAVALOMANANA », sy ireo momba azy, izay lasa nivadika any amin’ny firehana « RAJOELINA »,

Dia nanao fivoriam-be tsy ara-potoana ny mpikambana ato amin’ny « Plate-forme de Concertation des Agents Publics de l’Etat (PCAPE), ka manao izao fanambarana manaraka izao :

1°) Ireo filohandohany enina tato amin’ny PCAPE izay nanara-dia an’Atoa Yves Aimé, dia nandeha tamin’ny anarany manokana tsirairay avy, fa tsy tamin’ny anaran’ny PCAPE velively.

2°) Arakan y fehiteny nataon’Atoa RANDRIANARIVONIZANDRINY Celestin tamin’ny fivoriana natrehiny farany ny Alakamisy 10 Martsa 2011, izay nanambarany mazava fa tongan y tsotsorimamba isarahana,

DIA

Manambara mazava ho ren-tany ren-danitra izahay fa efa nanala tena tsy ho mpikambana ato @ PCAPE intsony hatramin’ny vaninandron’ny Alakamisy 10 Martsa 2011, ireto olona voalaza anarana manaraka ireto :

Atoa isany : RANDRIANARIVONIZANDRINY Celestin (Mpandrindra Nasionaly teo aloha)

ROBSON MANAHIRANA Jean de la Croix (Mpandrindra Nasionaly teo aloha)

RAMAHANDRY TSIRAVA Maurice (Sekretera jeneraly teo aloha)

RABEMANANTSOA Charles (Mpitam-bola teo aloha)

RAKOTOMENA André Guy (Mpanolotsaina teo aloha)

RAKOTOMAHARO Claire (Mpanolotsaina teo aloha)

NOHO IZANY

Dia tsy mahazo mampiantso fivoriana amin’ny anaran’ny PCAPE intsony, na mampiasa izany anarana izany amin’ny lafin-javatra hafa rehetra izy ireo.


Androany faha-14 Martsa 2011

Amin’ny anaran’ny fivoriambe

Ny mpandrindra Nasionaly


RAFALIMANANA Alexis

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire


Le GTT INTERNATIONAL, collectif de la diaspora malagasy, dont le siège est à Genève (CH), poursuit un double objectif: la restauration de l'Etat de droit et le rétablissement de la Démocratie à Madagascar. Il prône et oeuvre pour la liberté d'expression, la prise de conscience citoyenne et la mise en place d'une vraie démocratie dont l'exigence première est la tenue d'un processus électoral inclusif, libre et transparent ".