jeudi 30 juin 2011

RODOBEN’NY MALAGASY TOAMASINA

Tsy maintsy mody i Deba sy Dada

Ny alarobia 29 jiona lasa teo, nanatanteraka valandresaka ho an’ny mpanao gazety tao amin’ny Restaurant Univers Toamasina ireo mpitarika ny Rodoben’ny Malagasy Toamasina fantatry ny maro amin’ny anarana mahazatra ankolafin-kery Madagasikara Toamasina. Nisy koa ireo delagasionina avy tany Tanà nidina teto Toamasina. Nandritra ny fandraisam-pitenenana nataon’i Guy Maxime, ben’ny tanànan’ Ankaraobato teo aloha, no nanamafisany fa tsy maintsy miverina ireo nanao sesitany rehetra any ivelany. Samy nanao fahadisoana mantsy , hoy izy, ireo mpitondra nifandimby teto amin’ny firenena ka ny fiverenan’ireo mbola mialokaloka politika any am-pita no lalana ahafahana miroso amin’ny fifamelan-keloka faobe mba tsy hiverimberenan’ny krizy eto Madagasikara intsony. Niray feo koa izy ireo fa tsy maintsy mody i Deba sy Dada satria izany no antoka hivahan’ny krizy. Nandritra io fotoana ioa koa no nidiran’ny Filoha teo aloha Zafy Albert tamin’ny alalan’ny antso an-tariby izay nitondrany fankaherezana ho an’ny mpikatroka rodoben’ny Malagasy eto Toamasina. Tazana tamin’ity fotoana ity ireo lohandoham-pisorona avy amin’ny rodoben’ny Malagasy Toamasina izay nahitana an’i Maitre Rasamimaka Mahefalahy( movansy Ravalomanana), Kotomanatsoa Remi dit Lolone(movansy Zafy), Dahy Emilien( Ratsirakiste) sy ireo maro hafa. Nisy koa ny iray minitra fahanginana ho fahatsiarovana an’i Dokotera Tata Rodolphe, mpikambana ao anatin’ny movansy Ravalomanana Toamasina, izay nondaosin’ny fahafatesana ny marainan’ny alarobia 29 jiona lasa teo.

Nangonin’i Mickaelys( Toamasina)


Kotomanantsoa Remi dit Lolone, iray amin'ireo mpitartika ny rodoben'ny Malagasy Toamasina

1 commentaire:

  1. MANKASITRAKA HATRANY NY FAMPITANAN'NY VAOVAO SAMY HAFA. MISAOTRA MISAOTRA MISAOTRA LALANDAVA ATOLOTRA HOANAREO ARY IREO VAHOAKA REHETRA AVY NANAO RODOBE TAO TOAMASINA.
    ANDRIAMANITRA ANIE OMBANTSIKA LALANDAVA

    RépondreSupprimer


Le GTT INTERNATIONAL, collectif de la diaspora malagasy, dont le siège est à Genève (CH), poursuit un double objectif: la restauration de l'Etat de droit et le rétablissement de la Démocratie à Madagascar. Il prône et oeuvre pour la liberté d'expression, la prise de conscience citoyenne et la mise en place d'une vraie démocratie dont l'exigence première est la tenue d'un processus électoral inclusif, libre et transparent ".