dimanche 31 juillet 2011

Alahady 31 Jolay: RODOBE TOAMASINA - Laha teny sy sary

Miomana handevina ny FAT i Toamasina

Ny tolakandron’ny alahady 31 jolay, vory lanona teny amin’ny kianja Magro Tanambao V Toamasina ireo mpiatrika ny rodobe Toamasina sy ny mpiara-dia aminy. Nisy koa ny delagasionina rodobe foibe Antananarivo tonga teto an-toerana izay notarihin’i Tabera Randriamanantsoa, Guy Maxime Ralaiseheno ary Henri Randrianjatovo. Liana tamin’ny fampitam-baovao sy ny toromarika ho amin’ny fanohizana ny tolona ny vahoaka. Vao mainka nampientanentana ny rehetra ny fidirana mivantana an-telefônina nataon’ny Filoha Zafy Albert sy ny Filoha Marc Ravalomanana.

KABARY SY LAHATENY

-Filoha Zafy Albert( niditra mivantana) : Misy olona karamain’ny FAT handrava ny firaisankinantsika ato amin’ny rodobe ka mila mailo isika rehetra. Foronon’ny FAT daholo izao karazan’ny Plate Forme isan-karazany izao mba handrebirebena antsika. Olona anatin’ny FAT io daholo no mangalatra eto Madagasikara. Miraisahina hatrany isika fa tsy maintsy irodana izao fanjakan’ny bois de rose sy afera maloto rehetra izao.

-Filoha Ravalomanana( niditra mivantana) : Tena anaty fahasahiranana tanteraka ny firenena. Manaiky hodiako ny fianakaviambe iraisam-pirenena sy anareo vahoaka Malagasy. Tsy maintsy ho avy Dada. Tsy maintsy averina ny ara-dalàna. Mila mametraka tetezamita iraisana isika. Mila averina amin’ny laoniny ny toekarem-pirenena sy ny demokrasia eto Madagasikara. Mila miara-miasa amin’ny mpamatsy vola vaventy isika ho entina mametraka izany.

-Davy, TIM Toamasina : Tsy ho ela dia ho resy ny jadona. Rehefa tafiditra eto Madagasikara ny Filoha Ravalomanana sy ny Filoha Ratsiraka miampy ny Filoha Zafy Albert, milamina ny tanàna.

-Mahasahy Chantale, vaiavy TIM Toamasina : efa mihatra anaty vilany ny fahasahiranana eto amin’ny firenena. Ho avy izao ny fidiran’ny mpianatra, maro izahay renim-pianakaviana tsy manana fahafaha-manao hampiana-jaza intsony.Mila mody Dada sy Deba hamaha ny olana.

-Rangitason, MFM : Kely sisa ny an’ny FAT. Ndao alevina amin’izay. Ndao fongorina hatramin’ny fakany. Fifidianana mandeha ila hokarakarain’ny FAT izany tsy miditra amin’izany isika vahoaka.

-Iandro Roberson Pierre dit Jeneraly Sôlamena, movansy Ravalomanana Toamasina : Sokina nihani-bato Rajoelina sy ny forongony : tapidalan-kaleha.

-Radebason Michel, Ratsirakiste : Sambako androany no niditra ato amin’ny Magro. Midika izany fa efa mihavana ny ankolafy telo.

-Dahy Emilien, lehiben’ny movansy Ratsiraka Toamasina: Mangalà onon-draha isika rehetra. Manao azy ho tompon’i Madagasikara i Rajoelina. Tsy ekentsika izany : Babantsika ( Dada sy Deba) tsy maintsy mody ary mametraka tetezamita iraisana.

-Me Rasamimaka Mahefalahy, movansy Ravalomanana Toamasina : Fampahantrana no nentin-dRajoelina tao anatin’izay 28 volana naha teo azy. Very lavitra i Toamasina. Fampandrosoana maro no nataon’ny Filoha Ravalomanana teto Toamasina izay ary mbola be ireo fandaharanasa goavana saika hotanterahina teto fa nopotehin-dRajoelina sy ny forongony daholo izany. Tiako ny manambara mazava eto fa tsy miala amin’ny rodobe izany ny Movansy Ravalomanana. Lainga afafin’ireo te hanakorontana ny tolontsika izany rehetra izany.

-Guy Maxime, Filohan’ny ben’ny tanàna eto Madagasikara : Fanovana mankany amin’ny fandrobana no nentin-dRajoelina teto amn’ny firenena. Halatra harem-pirenena, fandrobana isan-tokony, fanagadrana, ampahany amin’ny zava-doza nentin’ny FAT izany rehetra izany.

Tao anatin’izay 28 volana naha teo an’i Rajoelina izay, efa nahatratra 250 ny olona nigadra vokatry ny resaka politika ary efa tao anatin’izany izaho Guy Maxime. Blocage ho an’i Madagasikara Rajoelina ka mila miala satria olona tsy ilain’ny vahoaka Malagasy.

-Tabera Randriamanantsoa : Toko 3 mahamasa nahandro Deba, Dada ary Filoha Zafy Albert. Nifampizara andraikitra mazava izy 3 lahy : Filoha Ravalomanana miezaka mandresy lahatra ny atsy Afrika, Filoha Ratsiraka miezaka manao lobbying any Europe, ary ny Filoha Zafy miezaka mandonaka ny tany eto Madagasikara. Rehefa manao isika tsy maintsy mandresy. Mila mametraka tetezamita iraisana hamoahana an’i Madagasikara anaty krizy. Manentana antsika rehetra eto Toamasina hanamafy hatrany tolona. Amin’ny asabotsy 6 août izao, eto amin’ny Magro Tanambao V Toamasina indray no ihaonantsika ho fanohizana ny tolona.


SARY:

rodobemagrotoamasina31072011

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire


Le GTT INTERNATIONAL, collectif de la diaspora malagasy, dont le siège est à Genève (CH), poursuit un double objectif: la restauration de l'Etat de droit et le rétablissement de la Démocratie à Madagascar. Il prône et oeuvre pour la liberté d'expression, la prise de conscience citoyenne et la mise en place d'une vraie démocratie dont l'exigence première est la tenue d'un processus électoral inclusif, libre et transparent ".