dimanche 31 juillet 2011

Toamasina 30 jolay 2011: SARY SY AKON'NY HETSIKY NY ANKOLAFY RAVALOMANANA


MOVANSY RAVALOMANANA TOAMASINA

Fitondrana K.O, Reconnaissance zéro. Mila mody sy miverina amin’ny Fitondrana Dada.


Ny tolakandron’ny asabotsy 30 jolay, nifamotoana tao amin’ny Foyer Social Canada Toamasina ny movansy Ravalomanana sy ny mpiara-dia aminy. Vory maro ny zanak’i Dada. Nanotrona ny fihaonana i Randrianjatovo Henri depioten’ny Faratsiho sy Guy Maxime Ralaiseheno ben’ny tanànan’Ankaraobato . Niditra mivantana ny Filoha Ravalomanana.

Filoha Marc Ravalomanana: Tsy maintsy miverina amin’ny ara-dalàna i Madagasikara.Efa nifampidinika tamin’ireo mpamatsy vola iraisam-pirenena aho. Manome toky izy ireo fa raha vao tafapetraka ny fitondrana tetezamita iaraha-mitantana dia tsy maintsy hamatsy vola antsika izy ireo. Tonga ny fotoana hanarenantsika ny firenentsika. Tonga ny fotoana hamerenena amin’ny laoniny ny fiainan’ny vahoaka Malagasy. Ataovy am-pitiavana ny tolona fa tsy maintsy mandresy isika.

Zoma Clérant, GTT Toamasina : K.O ny fitondrana , fankatoavana iraisam-pirenena zero. Ireo FAT ireo no tapidalan-kaleha fa tsy ny movansy Ravalomanana velively. Ny Filoha Marc Ravalomanana mody ary averina eo amin’ny fitondrana no fanafody mahomby hamerina ny firenena amin’ny laoniny.

Bienvenue José, filohan’ny TMT: Efa tsy tetezamita intsony no misy eto Madagasikara fa tetezamiitatra. Mitsangana izahay tanora eto amin’ny Oniversiten’i Toamasina hanohitra ny jadona ataon-dRajoelina.

-Teza Toamasina : Ry mpiara-mitolona mahereza fa efa akaiky ny fandresena.

-Edme, TIM Fénérive-Est: Vonona izahay ao Fénérive-Est hanamafy ny tolona ho amin’ny famerenana an’i Dada sy ho famerenana azy eo amin’ny fitondrana.

-Maitre Rasamimaka Mahefalahy : Roso ny tolona. Tafatsangana ny COM MR( Commune Mouvance Ravalomanana). Efa tafatsangana daholo ny mambra amin’ny arrondissement 5 eto Toamasina. Ireto izy rehetra ampahafantarina anareo ampahibemaso eto. Efa tafatsangana ihany koa ny movansy Ravalomanana amin’ny fokontany 138 eto an-toerana. Ravalomanana mody, Ravalomanana miverina eo amin’ny fitondrana no tanjona. Vonona hatrany ny Movansy Ravalomanana Toamasina hanatratra ny tanjona.

-Rangitason, MFM : Tsy hiala amin’ny tolona hatramin’ny farany ny MFM.

-Jeneraly Sôlamena: Hamerina ny Filoha Ravalomanana eto Madagasikara sy eo amin’ny fitondrana ny tolona ataontsika. Raha mbola i Sôlamena koa i Sôlamena tsy hiala anareo vahoaka aho fa vonona mandrakariva hifampitantana aminareo rehetra.

-Guy Maxime Ralaiseheno: niezaka nanovoka ny FAT tao anatin’izay 28 volana izay,fa tapidalan-kaleha izy amin’izao. Kely sisa ny fahefana eo am-pelatanany. Vahaolana voalohany hivoahana amin’izao krizy izao ny fiverenan’i Dada sy Deba. Na hihodina havia na hihodina havanana Rajoelina, tsy maintsy mody Dada. Resabe fotsiny izany fifidianana karakarain’ny FAT izany.

-Depiote Randrianjatovo Henri : Bon voyage Fetison , tsy maintsy mody ny Filoha Ravalomanana e!. Asakasak’ireo mpamadika rehetra fa ny tolona tsy maintsy mandeha ho fampandresena ny safidim-bahoaka.


Sary:

mouvanceravalomananafoyersocialcanadatamatave3007201

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire


Le GTT INTERNATIONAL, collectif de la diaspora malagasy, dont le siège est à Genève (CH), poursuit un double objectif: la restauration de l'Etat de droit et le rétablissement de la Démocratie à Madagascar. Il prône et oeuvre pour la liberté d'expression, la prise de conscience citoyenne et la mise en place d'une vraie démocratie dont l'exigence première est la tenue d'un processus électoral inclusif, libre et transparent ".