dimanche 31 juillet 2011

Asabotsy 30/07/2011: HETSIKY NY VOT REHETRA TAO ANTANANARIVO






FAHOMBIAZANA TANTERAKA sy FAMPISEHOAN-KERY

Nampiseho ny heriny ny vahoaka tamin’ity Hetsika nataon’ny VOT eran’ny Nosy tao Antananarivo ity.


Nifamory tao amin’ny efitrano malalaka teny Antanimena ny mpikambana solontena VOT avy any amin’ny Faritra manerana ny Nosy .Tonga navitrika tamin izany : Morondava , Belo-Tsiribihina , Miandrivazo, Ambatondrazaka , Vatomandry , Mahanoro , Brickaville , Moramanga , Anjiro, Manakara,Vangahindrano, , Manjakandriana , Antananarivo.

Nandray anjara tamin’izany koa ny GTT INTERNATIONAL GENEVE tamin’ny alalan’ny Filohany, Gilbert Darsot Rasolofoniaina, nitondra fampaherezana sy fanentanana ireo mpiray tanindrazana hanamafisana ny tolona iombonanana .

Niditra mivantana indrindra koa Atoa Filoha Marc Ravalomanana nitondra ireo vaovao tsara ho fantatry ny vahoaka Malagasy tsy ankanavaka manerana ny Nosy. Satria maro tokoa ireo vahoaka indrindra ny avy any aminy faritra no tsy mahalala marina ny vaovao sy ny zavatra tena misy amin’ny fizotran’ny raharaham-pirenena.

Nisy koa ny fifanakalozana nataon’ny Filoha tamin’ny mpanao gazety sy ny vahoaka, ka maro izy ireo no nametraka fanontaniana malalaka amin’izay zavatra manitikitika azy. Valin-teny mazava sy nahafa-po no nomen’ny Filoha azy ireo indrindra ny nanamafisany ny fiverenany an-Tanindrazana.

Nofaranana tamin’ny « CARNAVAL » niainga teny Antanimena toeram-pivoriana, narahina fananganana ireo soram-baventy VOT manambara ny fitakian’ny vahoaka ny famerenana ny Filoha Marc Ravalomanana hody tsy misy fepetra eto an-Tanindrazana ary fanamafisana ny antso amin’ny vondrona iraisam-pirenena hamaly ny tena hetahetan’ny vahoaka marina araky ny fifanarahana vita tany Sandton. Namafisin’izy ireo tamin’izany koa ny fahoriana miajady amin’ny Vahoaka izay milanja sy mizaka ny asa-ratsin’ny mpanongam-panjakana : ny tsy fisian’ny fandriampahalemana, ny jadona ataon ireo milaza mpitondra ankehitriny mpangalam-pahefana manosihosy ny zon’ny vahoaka Malagasy maro an’isa.

Namakivaky ny tanana ny mpitolona mi araka amin’ny fikapohana sy fivelesana vilia mba ho fanairana sy fitarihana ny vahoaka mpiray Tanindrazana mba ho sahy hijoro amin’ny tsy rariny ary hifoha amin’ny torimasony ka haneho firaisan-kina sy hanambatra hery hanavotana ny Tanindrazana iombonana.

Nifarana tamin’ny fidirana tao MAGRO Behoririka ny hetsika ka nihaona tao ny VOT sy ny mpitolona MAGRO ho mariky ny firaisan-kina amin’ny fanoherana ny FAT. Nisy ny antso avo natao ka nambaran’izy ireo tamin’izany fa mbola ho avy ny Hetsika iarahan’ny Mpitolona rehetra fa fanombohana ihany ity nataony androany Asabotsy 30 jolay ity ary hita fa tena nahomby tokoa.

Dia mampahery sy manentana azy ireo


Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire


Le GTT INTERNATIONAL, collectif de la diaspora malagasy, dont le siège est à Genève (CH), poursuit un double objectif: la restauration de l'Etat de droit et le rétablissement de la Démocratie à Madagascar. Il prône et oeuvre pour la liberté d'expression, la prise de conscience citoyenne et la mise en place d'une vraie démocratie dont l'exigence première est la tenue d'un processus électoral inclusif, libre et transparent ".