MOVANSY RAVALOMANANA TOAMASINA
Nifamotoana tao amin’ny Lycée Price Ambolomadinika
Feno hipoka ny efi-trano fivorian’ny Lycée Price Ambolomadinika Toamasina ny marainan’ny asabotsy 27 aogositra lasa teo. Tonga nitafa tamin’ny mpikatroka anatin’ny movansy Ravalomanana Toamasina ny lehiben’ny Movansy Ravalomanana nasionaly, Roland Ravatomanga.
Nisy ny fitondrana fanazavana nataony mahakasika ny toe-draharaha-politika ankehitriny indrindra ny fivoriana an-tampon’ny SADC tany Luanda farany teo. Nitohy tamin’ny fametraham-panontaniana sy valiny avy eo ny fotoana. Naharitra ora 2 ny fihaonana.
Nangonin’i Mika( Toamasina)
Vidéo:
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire