dimanche 21 août 2011

Hetsiky ny VOT tao Belo Tsiribihina – Asabotsy 20/08/2011

Na dia teo azan y fandrahonana ny hanagadra sy hanakana izay olona anatrika ny fihaonana dia maro tokoa ny tonga tao.

Nifandimby nandray fitenenana tamin’izany ny VOT mpandrindra avy ao Antananarivo, ny GTT INTERNATIONAL GENEVE ary indrindra koa ny Filoha Marc RAVALOMANANA.

Faly tokoa ny olona nihaino ny Filoha ary afaka nitaraina taminy ny fahasahiranana sy ny fahantrana mianjady amin’izy ireo noho izao krizy izao. Nohamafisin’izy ireo tamin’izany ny faniriany ny hodian’ny Filoha an-Tanindrazana

Eo an-danin’izany dia nahazo toky koa ireo mpanatrika tamin’ny fanazavana nentin’ny Filoha momba ny fivorian’ny SADC tany Luanda.

Tamin’iio fihaonana io ihany koa no nanaovan’ny VOT fanitsiana mikasika ny hevi-diso mandeha etsy sy eroa: ny VOT dia tsy mpanao ary tsy miar-miasa amin’ny mpanao politika afa-tsy ny Filoha irery ihany.



Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire


Le GTT INTERNATIONAL, collectif de la diaspora malagasy, dont le siège est à Genève (CH), poursuit un double objectif: la restauration de l'Etat de droit et le rétablissement de la Démocratie à Madagascar. Il prône et oeuvre pour la liberté d'expression, la prise de conscience citoyenne et la mise en place d'une vraie démocratie dont l'exigence première est la tenue d'un processus électoral inclusif, libre et transparent ".