jeudi 29 septembre 2011

Alarobia 28/09/2011 - Hetsika niarahan'ny VOT sy ny Fianakavian'ny voafonja 2009

Nidina an-dalambe nilanja sorambaventy ny VOT sy  ny fianakavian' ireo gadra politika zay mbola any amponja. Nanomboka tamin'ny  2ora tolak'andro ny hetsika ary  nizotra nakany ankianja Magro.



Mitaky tsy misy fepetra izy ireo ny ampiharan'ny Iraisam-pirenena, indrindra ireo vondron'ny mpanelanelana  vahiny sy ireo mpitondra tsy ara-dalana be marenina ireo ny zavatra voatapaka sy nifampiraharahana  mba ho famahana  ny krizy eto Madagascar izay mampitondra faisana tokoa ny vahoaka madinika Malagasy.

Nohamafisin'izy ireo koa ny fampodina tsy misy fepetra eto an-Tanindrazana an'Atoa Filoha Marc Ravalomanana, Filoha lanim-bahoaka. Ary tsy hangina izahay hoy izy ireo raha tsy migadona eto an-Tanindrazana ny Filoha lanim-mbahoka taminy fomba madio sy demokratika.

Notakian'izy ireo koa ny famoahana tsy misy hatak'andro ireo gadra politika sivily sy miaramila  izay mbola ataon'ny FAT takalon'aina any amponja hatramin'izay ka hatramin'izao. Nohamafisiny koa fa manjaka tanteraka ny fanosihosena ny zon'olombelona eto Madagasikara ankehitriny. Ka nanao antso avo ho an'ny vondrona  iraisam-pirenena izy ireo fa mijaly ny vahoaka Malagasy ary noana sy miaina ao anatin'ny fahantrana tanteraka.

Tsipahin'izy ireo an-kitsirano ny fanomezana avara-patana ireo mpanongam-panjakana eo amin'ny sehatra rehetra. 

Noho izany rehetra izany dia hitohy ny Tolona ary tsy hijanona fa hiakatra avo dia avo ny hetsika atao. Tsy hiantehatra amin'ny mpanao politika izahay Vahoaka hoy ihany izy ireo fa hijoro manerana ny faritra rehetra eran'ny Nosy ary hitohy hatrany ny hetsika an-dalambe.






1 commentaire:

  1. Zay ahay mba tiako,mankahery anareo ny tenanay.Tsy maintsy hanatevindaharana raha vao tafakatra any Iarivo eh.Tohizo

    RépondreSupprimer


Le GTT INTERNATIONAL, collectif de la diaspora malagasy, dont le siège est à Genève (CH), poursuit un double objectif: la restauration de l'Etat de droit et le rétablissement de la Démocratie à Madagascar. Il prône et oeuvre pour la liberté d'expression, la prise de conscience citoyenne et la mise en place d'une vraie démocratie dont l'exigence première est la tenue d'un processus électoral inclusif, libre et transparent ".