mercredi 28 septembre 2011

Akon-gazety momba ny Hetsika an-Tanindrazana


Politique

GTT Iraisam-pirenena Tsy mila hankatoavina Rajoelina

27/09/2011
Manoloana ny fihazakazaky ny toe-draharaham-pirenena, eo koa ny fandeferana nataon’ireo ankolafy roa mpanohitra nanao sonia ilay sori-dalana hivoahana amin’ny krizy dia toa maneho fa tsy vonona hiara-kiasa ny mpanongam-panjakana, araka ny taratasy nalefan’ny vondron’ny GTT Iraisam-pirenena ho an’ireo tompon’andraikitra eoropeanina.
 Tanisain’izy ireo amin’izany ny NOTAM navoaka hanakanana ny filoha Marc Ravalomanana hody an-tanindrazana sy ny fikasana hisambotra ity farany any Afrika Atsimo. Miantso ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Vondrona Eoropeanina ity vondrona ity mba hitazona hatrany ny fanekena sy ny toerany nandritry ny krizy ka tsy hanome fankatoavana fa hitazona hatrany ny sazy ho an’ny FAT. Nohamafisin’izy ireo rahateo fa araka ny andininy faha-34 ao anatin’ilay sori-dalana dia mametra fa tsy hahazo izany fankatoavana iraisam-pirenena izany mihitsy ny filoha sy ny governemantan’ny tetezamita raha tsy efa tafapetraka ireo rafitra tenierana, handraisan’ny rehetra anjara. Eo koa ny andininy faha-41 milaza fa ny fanafoanana tsikelikely ireo sazy dia miankina amin’ny fanatanterahana ireo dingana rehetra voalaza ao anatin’ny sori-dalana.
Ny andininy faha-43 moa dia manambara fa raha toa ka tsinontsiniavina izany sori-dalana izany dia mety handray fepetra ho an’ireo izay nandika ny sori-dalana ireo mpiray ombon’antoka. Notsiahivin’ny GTT Iraisam-pirenena ao anatin’ilay taratasy moa fa nomelohin’ny Vondrona sy ny Parlemanta Eoropeanina ny fanonganam-panjakana niseho teto Madagasikara. Noho izany rehetra izany, hoy ny GTT Iraisam-pirenena dia tsy azo heverina ny hanomezan’ity vondrona ity fankatoavana ho an’ireo misolotena ny fanjakana tsy ara-dalàna, mpanongam-panjakana. Miantso ny amin’ny tokony hisiana fihaonana eo amin’ireo filohan’ny Ankolafy koa ny GTT Iraisam-pirenena ho fampiharana sy fanaganana ny tena tetezamita iaraha-mitantana.
Nangonin’i Soa

Politique

Vondron’olon-tsotra Ambatondrazaka Ravalomanana tonga eto no hamaha ny krizy

27/09/2011
Nidina an-dalambe toy ny fanaony indray ny faran’ny herinandro teo ny vahoaka ao anaty ny fikambanana Vondrona olon-tsotra (VOT) any Ambatondrazaka.
 Sorabaventy maro no nolanjain’izy ireo tamin’izany toy ny hoe : «Tanindrazan’ny Malagasy rehetra i Madagasikara», «Tanteraho ny Sandton !», «Foano ny mandat d’arrêt !» … Malaina hiala amin’ny krizy ny FAT raha ny fijerin’ny VOT any Ambatondrazaka azy. Sarotra anefa ny hisian’ny fitoniana politika raha tsy mody eto an-tanindrazana avokoa ireo nanao sesitany ny tenany hatramin’izay, noho nyantony politika, indrindra ny filoha Marc Ravalomanana. Ny tondrozotran’ny Sandton izay natao sonia farany teo no efa namaritra izany, hoy izy ireo kanefa toa mbola misy mpanao politika minia mamilivily ny resaka indray. Inona, hoy ireto vondrona olon-tsotra any Ambatondrazaka ireto no tsy hampodiana ny filoha Marc Ravalomanana raha tiana hiala amin’izao krizy mahazo azy izao ny vahoaka malagasy ? Aoka izay ny fihatsarambelatsihy sy ny fanaovana mpitari-bato vilam-bava fa izay hitantanana miaraka sy hampandrosoana ny firenena no tokony hokatsahina. Efa nandefitra nandritra ny 30 volana ny vahoaka Malagasy.
Betsaka ny very asa sy tsy manan-kohanina, manjaka ny asan-jiolahy sy ny mpanao sinto-mahery. Nametraka fanantenana betsaka ho an’ny Malagasy ilay fanaovan-tsonia ny tondrozotra kanefa indrisy fa mikatso sahady ny fanatanterahana ilay izy. Mbola manana fanantenana anefa izy ireo fa tsy maintsy higadona tsy ho ela eto Madagasikara ny filoha Marc Ravalomanana. Nisy ny fidirana an-telefaonina mivantana natao ny tompon’andraikitra ny GTT International Genève nandritra io fotoana io izay nampahafantarana fa tsy olon-dratsy akory ny filoha Marc Ravalomanana ka hoe hosamborina. Nisy ny fanomezana toromarika ho an’ireo vahoaka mpitolona mba tsy handairana tsaho fa hanankina ny tolona izay atao amin’Andriamanitra. Nampiavaka ny hetsika natao ny VOT Ambatondrazaka ny faran’ny herinandro teo ity ny fandehanana teo amin’ny tsangambaton’ny Maherifon’ny 1947. Marihina fa toerana maro manerana ny Nosy no niara-nanatanteraka hetsika toy ity nataon’ny VOT Ambatondrazaka ity.

Niry A.

Sary : Hetsiky ny Vondrona olon-tsotra tany Ambatondrazaka

1 commentaire:

  1. Miaraka sy momban Anareo hatrany Tompoko !
    Tsy maintsy ampiarina ny zavatra rehetra nosiniavina ets...

    Hoan'i Andriamaintra Irery Hiany any e Ny Dera sy Voninahitra mandraka izay. Amena

    RépondreSupprimer


Le GTT INTERNATIONAL, collectif de la diaspora malagasy, dont le siège est à Genève (CH), poursuit un double objectif: la restauration de l'Etat de droit et le rétablissement de la Démocratie à Madagascar. Il prône et oeuvre pour la liberté d'expression, la prise de conscience citoyenne et la mise en place d'une vraie démocratie dont l'exigence première est la tenue d'un processus électoral inclusif, libre et transparent ".