samedi 24 septembre 2011

Manome 48 ora ny FAT ireo gadra politika .

23 septembre 2011
by Solo Razafy*
Nitafa tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny Galery Kamoula ny Vondron’ny Olon-tsotra na VOT sy ny fikambanan’ireo Mahery fon’ny firenena 2009.Fantatra tamin’izany fa nikasa nihaona tamin’ny Razanamahasoa Christine, minisitry ny Fitsarana ao anatin’izao Fitondrana izao izy ireo .Tsy tontosa anefa izany noho ny tsy fahatongavan’ny minisitra teny an-toerana, koa dia niala maina izy ireo na dia nanao sit—in manoloana ny birao fiasan’ny minisitra aza.

Hentitra kosa anefa izy ireo niteny fa manome 48 ora ny FAT hamoahana tsy misy fepetra ny gadra politika rehetra.Raha sanatria tsy tanteraka anefa izao fitakiany izao dia nilaza fa handray fepetra henjana izy ireo ary mbola « tsy ankiteniteny » aloha izay mety hataon’ireo havan’ny voafonja ireto fa manaitra ny sain’ireo tompon’andraikitra izy ireo. « Efa maharary loatra ny manjo ny havanay gadra politika » hoy ny filohan’ny fikambanana, Soloarimanana Jean Louis koa izany no mahatonga azy ireo nametraka izao fe-potoana 48 ora izao.Nambarany ihany koa fa raha vao vita sonia ilay soridalana dia tokony navoaka haingana ny gadra politika rehetra, kanefa laozan’ireo mpitondra miady seza fotsiny hoy hatrany ny tenany.

1 commentaire:

  1. Zay mints,fa ny tsy dia voako aminareo mitady fiahonana am hat reo anie dia izao e:milamina sy tsy misy tohiny intsony ilay izy rehefa avy mihaona aminìzy ireo ianareo,dia tsy fantatra na azo izay notakiana na tsia.Voavidy vola sa ahoana?
    Na izany aza dia mankahery sy miray fo aminareo tanteraka.

    RépondreSupprimer


Le GTT INTERNATIONAL, collectif de la diaspora malagasy, dont le siège est à Genève (CH), poursuit un double objectif: la restauration de l'Etat de droit et le rétablissement de la Démocratie à Madagascar. Il prône et oeuvre pour la liberté d'expression, la prise de conscience citoyenne et la mise en place d'une vraie démocratie dont l'exigence première est la tenue d'un processus électoral inclusif, libre et transparent ".