Feno 14 herinandro ny asabotsy 5 novambra ny hetsika ao amin’ny Magro Tanambao V Toamasina. Fihaonana izay nanamafisana ny firaisankina eo amin’ny ankolafy telo Toamasina. Niray feo ny rehetra mba samy hiaro tahaka ny anak’andriamaso mba tsy ho raraka an-tany ireo ezaka rehetra natao hatramin’izay ho fanoherana ny jadona eto amin’ny firenena.
Niray feo ny rehetra fa na eo aza ny tafio-drivotra mandalo, tsy ho ravan’izany ny Rodobe Toamasina.
Niditra mivantana ny Filoha Ravalomanana izay nanamafy ny nolazainy tao amin’ny Bel’Air Tanà ny zoma teo izay nilazany fa tsy azo ekena ny fanendrena an’i Omer Beriziky ho PM satria miala amin’ny lalana
faritan’ny tondro zotra. Ny Filoha Ravalomanana izay nankahery ny mpitolona rehetra ao Toamasina mba tsy ho kivy fa vao mainka hijoro hatrany.
Album RODOBE TOAMASINA 05112011



















Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire