Nomarahin’izy ireo lavabe koa ny zava-nisy teo amin’ny ambasadaoro Frantsay Jean-Marc Chataigner sy Mamy Rakotoarivelo tao amin’ny Hotel Colbert Antanananarivo ny tolakandron’ny zoma 28 oktobra lasa teo. Nanamafy ireo mpitarika ny Rodobe Toamasina fa “ny Frantsay no mibaiko tanteraka an’i Andry Rajoelina ary ry zareo no mifidy izay olona tiana handrafitra izao tetezamita izao. Afaka miala mangata-bola amin’ny La Frantsa isika Malagasy satria maro ireo firenena vahiny maniry ny hiara-hiasa amintsika fa bahanan’i La Frantsa hatrany”. Nilaza ny hanohy ny hetsika hatrany ny Rodobe Toamasina ary tsy hijanona, hoy izy ireo, ny tolona raha tsy mbola tsy tafody eto Madagasikara ny Filoha roa lahy teo aloha, Ravalomanana Marc sy Didier Ratsiraka.
Nangonin’i Tamaga
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire