mardi 13 décembre 2011

12/12/2011 – Tsingerin-taona nahaterahan’ny Filoha Ravalomanana : Hetsika nataon’ny V O T


Niditra mivantana tamin’izany ny Filoha ary nisaotra sy nankasitraka ny vahoaka Malagasy tsy ankanavaka ny tenany amin’izao fankalazana izao. Nitondra fankaherezana ho an’ny mpiray Tanindrazana rehetra ihany ko aizy ary tsy nohadinoiny ny nanentana sy nanamafy ny fifankatiavana araky ny soatoavina maha malagasy sy ny fifampitokisana satria ny tanjona, hoy izy dia ny hamoaka haingana sy ny hivahan’ny olana amin izao krizy izao fa mijaly tokoa ny vahoaka.  Nilaza koa izy fa manao izay ho afany sy azony atao amin’ny fitadiavam-baha-olana ary nanainga ny Malagasy izy hatoky azy amin’izany.
Momba ny fodiany an-Tanindrazana dia nambarany fa ao anaty tondrozotra izay efa vita sonia izany ary tsy maintsy ho tanteraka.
Nofaranany tamin’ny firariantsoa sy ny fampaherezana ireto mpitolona mahery fo hanohy hatrany ny tolona ny laha-teny nataony.
Taorian’izany dia niroso tamin’ny fizarana ireo fanomezana ho an’ny be antitra zokiolona mpitolona mahery fo ny mpiandraikitra. Teo koa ny fanomezana fanampiana  ireo olona sahirana sy mananon-tena ary ireo fianakavian’ny gadra izay mbola any amponja . Nozaraina tamin’izany moa:
  •          vary 1kg,
  •          voa maina 2 kapoaka,
  •          lamba fitafy,
  •          ary vatomamy sy mofomamy (biscuit) ho an’ny rehetra tonga nanatrika.

Manaraka izany  dia noraisina tao koa ireo olona 2 lahy izay vao nivoaka ny fonja tamin’ny faran’ny herinandro teo rehefa notazonina tany amponja nandritra ny 2 taona sy 4 volana.

Marihana farany fa tsy ny V O T Iarivo ihany no nanamarika izao andro izao fa nihetsika ihany koa ireo V O T any amin’ny faritra  ary samy nanao hetsika sosialy toy izao avokoa.

MITOHY HATRANY NY TOLONA, hoy izy ireo



Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire


Le GTT INTERNATIONAL, collectif de la diaspora malagasy, dont le siège est à Genève (CH), poursuit un double objectif: la restauration de l'Etat de droit et le rétablissement de la Démocratie à Madagascar. Il prône et oeuvre pour la liberté d'expression, la prise de conscience citoyenne et la mise en place d'une vraie démocratie dont l'exigence première est la tenue d'un processus électoral inclusif, libre et transparent ".