mercredi 7 décembre 2011

5/12/2011: hetsika fitokonana nataony fikambanany Mahery fo 2009+VOT+ Mpitolona +ekipany Zafy Albert


Toy izao ny Akon'ny  hetsika fitokonana nataon'ny VOT, Mahery fo 2009, Mpitolona ary ny ekipa Zafy Albert teo anoloan'ny Minisitera ny Fitsarana ny 05/12/11 tamin'ny 10ora maraina  ary tsy nifarana izany raa tsy tamin'ny 14h satria nikorapaka haingana i ramatoa ministra rehefa nahita ny hamaroan'ny olona tonga nihetsika teny an-toerana. Solontena 4 no nihaona taminy ka anisan'izany ny Rahalahin'i  colonel  Charles sy ny filohan'ny fikambanana Mahery fo ary notronony ekipany Zafy Albert 2 lahy .

 Araky ny tatitra nataon ireo solontena nihaona taminy dia hoe nafana ny ady hevitra ary tsy nitsitsy fitenenana tamin'i Razanamasoa mihitsy ny Rahalahin'i  col Charles izay nilaza fa "tompon'andraikitra amin'ny fizirizirina fitazomana ireo gadra politika tsy avoaka ireo ianao ramatoa minisitra  ary tompon'andraikitra koa ianao amin'ny famoahana azy ka tsy tokony handalo fitsarana izany intsony ireo olona ireo. Mazava ny voarakitra ao anatin'ny tondrozotra  fa tokony efa mivoka ireo tamin'ny vao vita ny sonia an'io tondrozotra io. Ka mampilaza aminao izahay fa tsy hanaiky intsony fa takianay fianakaviny sy ny mpiara-mitolona ny famoahana azy ireo tsy misy hatak'andro". Nilaza koa ireto solontena ireto fa "aoka mba ajanonareo FAT ity fampihorohorona lava ity fa hajao araky ny fitakiana nataonareo ny demokrasia fa aza rahonana amin'ny fisamborana ny vahoaka. Aoka izay ny fampihara-pahefana ataonareo ka anaovanareo tsindry azo lena lava aminay vahoaka manao fitakiana mijoro miaro ny marina". Nangataka izy ireo ny mba ampitana ny hafatr'izy ireo any amin'i Andry Rajoelina milaza fa "raha fitoniana no tadiavina dia avoahy ny gadra politika, avereno mody malalaka eto Atoa Filoha Ravalomanana fa izahay vahoaka Malagasy manerana ny Nosy ary maro an'isa no mitaky ny fodiany sy ireo sesitany politika  ary vohay ihany koa ny haino aman-jery fa leo ny fafy lainga izahay vahoaka". 

Somary sahirana Ramatoa ministra teo anatrehan'izany ary nilaza fotsiny hoe "ianareo ange efa manana ny olonareo amin'izao fitondrana izao ato amin'ny governemanta, koa mba tereo ihany koa ireo mba hitaky sy hietsiketsika hiady ny famoahana izany ary anjaran'ny parlemantera mpanao lalàna CST sy CT no manapaka sy mandany ny lalàna mikasika an'io ary efa nalefako any ny dossier momba ireo olona gadra politika lazainareo ireo".
 Tetsy ankilan'izay anefa dia nampihakatra ny hatezerany ny rahalahin'i Col Charles  niteny mafy hoe " ianao io dia tsy lasa Minisitra raha tsy i Charles ary ingahy Andry Rajoelina tsy tafapetraka teo raha tsy Charles. Kanefa ianareo indray no mamatotra azy ankehitriny rehefa miova fo nahatsiaro tena izy fa tsy rariny no ataonareo ka noho izany dia mampilaza aminao izahay fa tsy hangina ary amparitakay amin'ny vahoaka manerana an'i Madagasikara fa ianareo no tena manosihosy ny zo fototra maha olombelona ka manao tsindry azo lena ary ny fatahoranareo an'ireo olona ireo no itazomanareo tsy amin'ny rariny ny havanay sy ny mpiray Tanindrazana aminay ka dia ho hitantsika eo ny tohiny fa tsy hijanona ny hetsika ataonay raha tsy tanteraka ny fitakihanay". Tsy nahita havaly intsony ramatoa ministra fa nivavaka no nataony sy nandatsa-dranomaso...

Marihana fa naharitra ora 4 teo ny fihaonan'izy ireo, ary dia mitohy hatrany ny hetsika.



Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire


Le GTT INTERNATIONAL, collectif de la diaspora malagasy, dont le siège est à Genève (CH), poursuit un double objectif: la restauration de l'Etat de droit et le rétablissement de la Démocratie à Madagascar. Il prône et oeuvre pour la liberté d'expression, la prise de conscience citoyenne et la mise en place d'une vraie démocratie dont l'exigence première est la tenue d'un processus électoral inclusif, libre et transparent ".