samedi 28 juillet 2012

Valin'ny Fiantsoana fivoriam-be ataon'Atoa Mamy Rakotoarivelo Paris – 28 jolay 2012


Ny GTT International–Genève dia nisafidy ny tsy hanohina ny antso nataon'Atoa Mamy Rakotoarivelo. Nambara mantsy fa tatitra momba ny fihaonana tany Desroches (Seychelles) no ho ataony amin'izany. Aminay anefa dia tsy mitombona izany noho ireto antony manaraka ireto :
  • tsy tokony nisy olon-kafa ankoatran'ireo voakasika mivantana afaka nanatrika io fihaonana io araky ny fepetra napetraky ny SADC. Noho izany dia zavatra tsy marina no ho tanterin'Atoa Rakotoarivelo.
  • Raha toa ny Filoha ka sendra niresaka taminy momba ny zava-nitranga tao amin'ny fihaonana, dia tokony hijanona ho tsiambaratelo. Raha tsy izany dia midika ho:
    • fiampangana ny Filoha eo anatrehan'ny SADC izay efa nametraka fepetra hentitra mikasika indrindra ny tsy amoaham-baovao,
    • fampielezana ny tsiambaratelo eny anivon'ny be sy ny maro amin'ny alalan'ny famoriam-bahoaka toy izao.

Ho fehin'ireo voalaza ireo dia ambaranay marindrano fa tsy azo hitokisana Atoa Rakotoarivelo, ary mampibaribary ny filalaovany ny Tolona ka fotoana very maina ny fihaonana aminy.

Farany, dia tsy hainay ny hangina manoloana ny zava-nitranga omaly zoma 27 jolay 2012 teny Ivato mikasika ny nanjo ny fianakavian'ny Filoha. Inona no nataon'ny mpitarika ny movansa Ravalomanana tonga maro nanatrika teny an-toerana ? Raha tena mpanohitra ny FAT marina ianareo, tsy fotoana tokony ho nampisehoana izany ve ireny trangan-javatra feno herisetra sy fanitsakitsahana ny zo maha-olona ireny ?



GTT INTERNATIONAL – GENEVE
Collectif des Patriotes Malagasy
Rue des Savoises
1205 GENEVE – CH


Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire


Le GTT INTERNATIONAL, collectif de la diaspora malagasy, dont le siège est à Genève (CH), poursuit un double objectif: la restauration de l'Etat de droit et le rétablissement de la Démocratie à Madagascar. Il prône et oeuvre pour la liberté d'expression, la prise de conscience citoyenne et la mise en place d'une vraie démocratie dont l'exigence première est la tenue d'un processus électoral inclusif, libre et transparent ".