samedi 19 janvier 2013

Fanambarana avy amin’ny Gadra politika

Mizotra any amin’ny làlan’ny fahaverezana i Madagasikara ary vonoina tsikelikely ny Malagasy.


Very tanteraka ny SOATOAVINA maha-Malagasy dia ny « FIHAVANANA », fifandrafesana no misy eo amin’ny samy vahoaka “zanak’ity Nosy ity”, izay anjakan’ny :
- fitiavan-tena
- fahefana
- vola
Izany rehetra izany no mahatonga fizirizirina. Koa ankehitriny dia mihenjan-droa ny tady, zary fahafaham-baraka no mahazo ny Firenena Malagasy. Hita taratra amin’izany ny zava-misy hatrizay fa lainga avokoa no afahana ny vahoaka : fandàvana ny fifanekena sy ny fifanarahana efa vita sonia, tsy ilaza isika afa-tsy ny “Tondrozotra”, mahamenatra!

Mbola namafisina izany fomba ratsy feno fahafaham-baraka izany tamin’ny kabary natao teny Iavoloha tamin’ny 09 janoary 2013 raha sahy nilaza ny mpitondra ankehitriny fa “milamina eto amin-tsika ary tsy ilaina ny fifandraisana amin’ny fianakaviam-be irasam-pirenena”. Fahajambana ve hoy izahay sa toetran-jiolahimboto ka tsy miraharaha ny fiainam-bahoaka no anton’izany rehetra izany ?
Maha-talanjona!

Tsy araky ny nandrasan’ny vahoaka ny kabary nataon’ny filohan’ny Tetezamita teo Iavoloha iny fa tora-po ara-politika miendrika fifandirana.
- Avy aiza marina ny fiavian’ny vola nanaovana ireo foto-drafitr’asa ireo ?
- Tsy fantatry ny CT, ny CST ary ny governemanta akory ny niaviany.
- Ny vahoaka dia miaina tanteraka ao anatin’ny tsy fisiana, zara raha mihinana, ny tsy fandriam-pahalemana efa tsy lazaina intsony na ambanivohitra na an-drenivohitra.
- Tsy andraikitry ny tetezamita ny fanaovana foto-drafitr’asa toy izao. Ny famoahana ny Firenena amin’ny alàlan’ny fifidianana mangarahara (Filoha sy solombavam-bahoaka) izay hitondra ho any amin’ny Repoblika vaovao no tokony imasoany.
- Mazava loatra fa izao zava-misy eto amin’ny firenena ankehitriny izao dia midika ho famonoana ny vahoaka Malagasy.

Mahita vola hanaovana foto-drafitr’asa “manara-penitra” izay “hanara-penitra” ihany koa ny sarany hidirana amin’izany.
Ho an’iza izany ? Tsy ny hoavin’ny sarambabem-bahoaka velively,  fa ho an’ireo manana tombotsoa amin’izao fitondrana izao.

- Miha-mahantra andro aman’alina ny vahoaka Malagasy.
- Mitombo andro aman’alina ny harenan’ireo eo amin’ny fitondrana, izany indrindra no maha-saropiaro azy ireo ankehitriny  mba hiarovany ny tombotsoany manokana.
Izay milaza ny marina ka manelingelina dia gadraina avokoa.
- Tambazana mariboninahitra (Grade) ny miaramila hampaharitra ny fitondrana misy ankehitriny, ary lasa hery iray fiarovana ny tombotsoan’olom-bitsy.
Herim-pamoretana sy biby fampitahorana ny vahoaka ny foloalindahy.
- Ry Miaramila : « miovà ho amin’ny fanavaozana ny saina » dia ny « Fitiavana ny Tanindrazana » sy ny « Fiarovana ny Tombotsoan’ny vahoaka ».

Aiza ny fampanantenana natao ?
- Vary 2.500 fmg/kg
- Menaka 10.000 fmg/l
Nanjavona, vonjy tavan’andro daholo. Inona no anton’izany rehetra izany ?
Fampandriana adrisa fotsiny fa ny tena marina dia natao izay hahavery saina ny vahoaka, raharahan’ny karana sy ny fitondrana ankehitriny izay miara-misôsy amin’ny harem-pirenena no anton’izao fahantrana izao.

Porofo :
- Ny fampidirana ny menaka tsy voadio, ny lafarinina “farine”, sns, dia tsy misy vola miditra ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana na kely aza. Fifanarahana fotsiny amin’ireo karana sy ny fitondrana no misy, izany hoe : ireo karana ireo dia mandoa vola mitentina 12.500.000.000 isam-bolana ho an’ireo mpitondra, izany no zava-misy.
- Manondrana volamena milanja “250 kg” (lingots) isan-kerinandro mankany ivelany ireo karana.
 Izany no zava-misy, zary “tantely afa-drakotra ny fanananao ry vahoaka”.
- Nolazain’Ingahy Ratsirahonana, mpanolo-bato-mahamay fa “efa tanteraka ny andraikitry ny tetezamita amin’ny fanatanterahana ny tondrozotra amin’ny apaisement” fa tsy misy gadra politika intsony any “amponja”. Iza moa ireo mbola any “am-ponja ireo”, jiolahy ve? Mpamaky Banky ve? Sa ireo tsy manaiky ny tsy fahamarinana nataon’ity fanjakana misy ankehitriny ity ?
- Ny loza, dia mbola ahitana fanavakavahana ihany koa ny famoahana ireo gadra politika sisa aty am-ponja. Misy votsorana ny sasany, misy mbola tazonina, inona no antony?
Mila fanazavana izany.

MBOLA HITOHY!!!

Ny Gadra politika


Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire


Le GTT INTERNATIONAL, collectif de la diaspora malagasy, dont le siège est à Genève (CH), poursuit un double objectif: la restauration de l'Etat de droit et le rétablissement de la Démocratie à Madagascar. Il prône et oeuvre pour la liberté d'expression, la prise de conscience citoyenne et la mise en place d'une vraie démocratie dont l'exigence première est la tenue d'un processus électoral inclusif, libre et transparent ".