mercredi 20 mars 2013

Hoy ny Filoha : « Tsy handray anjara amin’ny fifidianana na filoham-pirenena na solombavambahoaka isika raha tsy tonga any Madagasikara aho »

20 mars 2013

Niditra mivantana tamin’ny fivorian’ny mpitarika ny Ankolafy Ravalomanana tetsy Bel’air, nahitana ny Filohan’ny Kongresy Mamy Rakotoarivelo, Filoha Lefitry ny CST Razafimanantsoa Hanitra, ny ministry ny Varotra Olga Ramalason, ny minisitry ny Fambolena Ihanta Randriamandranto, ny mpitondra teny Randrianarisoa Guy Rivo ary Manandafy Rakotonirina sy ireo CST sy CT, ny filoha RAVALOMANANA ny maraina teo. Nanazava ny toerana misy ny Ankolafy amin’izao toe-draharaham-pirenena izao ny filoha. « Efa nifanarahana hatrany amboalohany tamin’ny fianakaviam—be iraisam-pirenena : ny NU, UE, UA, ny SADC, fa tsy maintsy tanterahana an-tsakany sy an-davany aloha ny fampiharana ny tondrozotra vao miditra amin’ny fifidianana » hoy ny filoha Ravalomanana .Fifidianana vita tsara, eken’ny rehetra, mangarahara, no tanjona kanefa raha atao ny jery todika dia hita fa tsy tanteraka ny ampahany maro amin’ny tonjozotra.Isan’ny tanisain’ny filoha tamin’izany ny andininy faha 28, 10, 16, 17, 18, ary indrindra ny artikla 20.Mbola tsy feno ny fepetra hoy izy hanatanterahana ny fifidianana. « Tsy handray anjara amin’ny fifidianana na filoham-pirenena na solombavambahoaka isika raha tsy tonga any Madagasikara aho » .Mbola nohamafisin’ny filoha Ravalomanana hatrany fa tsy misy afaka misoratena toa voatango, na manondro tena na hitonona kandida amin’ny anaran’ny Ankolafy raha tsy tonga aty Dago ny tenany. Raha misy mandehandeha any hoy izy dia amin’ny anaran’ny tenany manokana. Noho izany dia manao antso avo amin’ny fikambanana iraisam-pirenena ny Ankolafy Ravalomanana fa tsy mandray anjara amin’ny fifidianana filoham-pirenena na solombavam-bahoaka raha tsy tonga eto ny filoha Ravalomanana Marc. Raha misy ny fitsidiham-paritra ataonareo hoy izy dia tsarovy fa noho ny politika ankapoben’ny ankolafy Ravalomanana izay mahaliana ny vahoaka, noho ny tsy fahampian’ny vaovao any amin’ireny faritra ireny dia tonga maro izy ireny.

Nalaina tao : Mydago


MAGRO2003


3 commentaires:

  1. Mamy est dans la mouïse. S'ils sont honnêtes et loyaux (ce que je doute fort), les memebres de la mouvance devront démissionner du gouvrnement et des autres institutions.
    Allez GTT Ge, mettez la pression sur ces collabos. Il n'y a que vous qui osez le faire.Il faut profiter de cette mise au point ferme du PRM. En fait, c'est vous qui avez raison depuis le début, ce sont tous des pov politiciens dépourvus de ses patriotique.

    RépondreSupprimer
  2. Jaran i Rajoelina aza ianao tsy handray hanjara dia ny azy ihany no lany .Manao politika ianao Andriamatoa Ravalomanana fa ny Frantsay t@ andron i Kouchner dia efa nilaza " il péfére valider une election mal faite que rien".
    Ka satria ny fandehanjavatra @ izao fotoana izao ,i Goldblatt dia hanao izay hijanonanao any Afrika atsimo ,dia ho sarotra mihintsy ny hatafody anao alohan'ny fifidianana indrindra raha jerena fizotra ny tolona aatramin'izay ";
    Satria dia nitakemotra atrany ny mouvance legalista atramin izay efa taona izay ,voatery nanaraka mabokin'ny Hat sy ny Frantsay atrany .
    ka izany dia mba hitaritana antsika fa tsy nety ny natao atramin izay efa taona izay ,Tsy maintsy hentanina indray mandeha ny vahoaka ary mila hestika mavitrika hanalana an i Rajoelina sy mpanjanaka.

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. Ekena tsy misy hambahamba ê!
      Lazalazao ny fiomanana rehetra tsy maintsy atao mba tsy handamoka ny hetsika alohan'ny hanaovana azy.

      Supprimer


Le GTT INTERNATIONAL, collectif de la diaspora malagasy, dont le siège est à Genève (CH), poursuit un double objectif: la restauration de l'Etat de droit et le rétablissement de la Démocratie à Madagascar. Il prône et oeuvre pour la liberté d'expression, la prise de conscience citoyenne et la mise en place d'une vraie démocratie dont l'exigence première est la tenue d'un processus électoral inclusif, libre et transparent ".