lundi 15 avril 2013


GTT International-Genève

Fanambarana ho an’ny vahoaka Malagasy

“Afaka milatsaka ho Filoham-pirenena i Ramatoa Lalao Ravalomanana”



Taorian’ny fanendren’ny mouvance Ravalomanana an-dramatoa Lalao Ravalomanana dia manome fanazavana izahay momba ny lalàna izay tokony ho toavina mikasika ny filatsahany ho filoham-pirenena Malagasy.

Ramatoa Lalao Ravalomanana dia manana ny toeram-ponenany raikitra ao Faravohitra 101 Antananarivo Madagasikara efa an-taonany maro.

Tsy mbola nisy taratasy fifindra-monina nataony hiala tao amin’io fokontany io hatramin’izao.

Ny fotoana nijanonany  tany Afrika atsimo dia vonjy maika noho ny toe-draharaha ara-politika tamin’ny 2009 fa tsy azo adika ho fifindram-ponenana.


Noho izany dia mampahafantatra ny vahoaka Malagasy izahay mba tsy ho voarebirebin’ny mpanao politika fa manana ny toeram-ponenany ara-dalana ao amin’ny fokontany Faravohitra 101 Antananarivo Ramatoa Lalao Ravalomanana, ary afaka mandray anjara amin’ny fifidianana rehetra eto amin’ny firenena Malagasy, na ho anisan’ny mpifidy na ho anisan’ny hofidiana.



Genève, faha 15 avril 2013


GTT International - Genève


2 commentaires:

  1. Amiko, tsy mila asiantsika polemique intsony io resaka io, ary izay tsy sahy miatrika azy ihany no hanisy resa-be amin`io eo, inty aho eto anie e.Isany nampihemotra candidat maromaro ny filatsahan`io Ramatoa io.

    RépondreSupprimer
  2. Misaotra indrindra amin'ny fanazavana.
    Amin'izao fotoana izao dia matahotra mafy tao aorinan'ny filatsahan'i Lalao Ravalomanana ny radio an'i France/Afrique (RFI).Io radio io indray izao no manely hevitra diso fa tsy afaka milatsaka i Lalao Ravalomanana satria tsy ampy 6 volana hono ny niverenany teto Madagascar.
    Ilaina noho izany ny "Fanambarana ho an’ny vahoaka Malagasy" tahaka itony fa “Afaka milatsaka ho Filoham-pirenena i Ramatoa Lalao Ravalomanana”


    Misaotra indrindra

    RépondreSupprimer


Le GTT INTERNATIONAL, collectif de la diaspora malagasy, dont le siège est à Genève (CH), poursuit un double objectif: la restauration de l'Etat de droit et le rétablissement de la Démocratie à Madagascar. Il prône et oeuvre pour la liberté d'expression, la prise de conscience citoyenne et la mise en place d'une vraie démocratie dont l'exigence première est la tenue d'un processus électoral inclusif, libre et transparent ".