mardi 7 mai 2013

Dinika FFKM : “aoka mba ho iray izy rehetra”



KABARY FAMARANANA NY DINIK’ASA HO FAMPIHAVANANA .

 5
Izany tenin’ny Filazantsara izany no azo lazaina ho nampiharintsika nandritra izao dinik’asa ho fampihavananaizao, noho izany dia rariny raha misaotra sy midera an’Andriamanitra isika rehetra satria tody soa aman-tsara amin’izao fotoam-pamaranana izao. Ny soatoavina malagasy, ny fomba amam-panao iainan’ny isam-paritra dia mampiseho ny lanjan’ny FIHAVANANA sy ny FAHAMARINANA. Araka ny antson’ny maro niantefa tamin’ny FFKM ny mba hirotsahana amin’ny fampihavanana no nahatonga azy hiroso amin’izao dinikasa fampihavanana izao: asan’ny fiangonana izany ary hampirisihin’ny tondrozotra ao amin’ny andinin’ny voalohany ny fifampidinihan’ny Malagasy samy Malagasy. Notontosaina tao anatin’ny fifanajana sy ny fahaiza-manao izany dinika izany. Niara niaiky ary isika fa nisy ny lesoka teo amin’ny fiaraha-monina izay niteraka savorovoro nifanesisesy teto amin’ity Tanindrazana malalantsika ity. Olombelona no manao ny làlana, indrisy anefa,izy ihany no mandika izany. Diso eo anatrehan’ny tantara isika Malagasy raha mbola minia mangina sy tsy mandray andraikitra manoloana izao fahantrana izao, miaina izao tsy fandriam-pahalemana izao ka nanjary miala ny Fahamarinana izay mitondra ho amin’ny Fahamasinana.
- Ny fahadisoana vitantsika dia ny nanilihana ireo rahalahy sy anabavintsika teo amin’ny fitantanana ny Firenentsika.
- Nanjary niray tsikombakomba tamin’ny gaboraraka sy ny fandrobàna ny harem-pirenena isika satria tsy nampanjakaina sy tsy namasinina ny hevitry ny rehetra, izayfototry ny marimaritra iraisina mitandro ny FIHAVANANA tena sarobidy amintsika Malagasy. Gaga ary ve isika raha niainantsika teto ny didikofehy lehibe sy ny kely tsy mba mamindro?
- Tsy nandray andraikitra isika ary azo lazaina ihany koa fa nialangalana ireo avaram-pianarana Malagasy satria tsy nitandrovan’izy ireo ny atao hoe “valim-babena”.
Vokatr’ireo rehetra ireo,miaina ao anatin’ny fahantrana ny Malagasy maro na dia nomen’Andriamanitra harena sarobidy sy vitsy karazana izay tsy misy afa-tsy eto Madagasikara ihany : harena ambon’ny tany, harena ambanin’ny tany sy ireo anaty ranomasina. Dia mbola hambara amintsika ihany ary ve ny fahaizana sy ny saina tia karokaraka izay tena mampiavaka antsika Malagasy? Ny fehin-kevitra izay nasongadin’ireo asam-bomiera dia nampiseho fa ilaina ny fanorenana ifotony an’ity Madagasikara mamintsika ity. Noho izany, fanjakana tan-dàlana sy tsara tantàna manaja sy mampifandanja ny fahefana, fitsarana mahaleotena, fanaraha-maso entitra ny fitantanana ny harem-pirenena no takiana amin’ny fitondrana. Izany ihany no antoka mitondra ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Ny fampiharana ireo rehetra ireo no hamerina indray sy hiantoka ny fiadanan’ny vahoaka Malagasy.
Koa dia hihaona amin’ireo filoha efa-mianaka izahayhamitram-pihavanana sy hanolotra azy ireo ny vokatr’ity dinikasa ho fampihavanana ity. Hatolotray ihany koa ireo solontenan’ny fiaraha-monina iraisam-pirenena ireto fehin-kevitra ireto. AVERINA INDRAY MANDEHA IHANY KOA FA NY FAHATAHORANA AN’ANDRIAMANITRA NO AOKA HIBAIKO ANTSIKA REHETRA KA HANEHOANTSIKANY FITIAVAN-TANINDRAZANA MARINA TSY MISY FITAKA. Ry Malagasy, ny fampiharana ireo tolo-kevitra naroson’ny dinikasa ho fampihavanana ireo no manambara fa mandray andraikitra feno sy miantoka ny famerenana ny Hasin’ny maha-Malagasy anao. Izahay,Filoham-piangonana efatra mirahalahy ao amin’ny FFKM, dia mankasitraka sy misaotra anareo rehetra nandray anjara feno sy nahatontosa ity dinikasa ho fampihavanana ity. Ao ireo solontena avy amin’ny faritany sy avy eto an-toerana. Ao ihany koa ireo ray aman-dreny ara-drazana. Ao ireo Mpitondra fivavahana isan-tokonyizay nahafoy andro. Ao ianareo manam-pahefana tsy fidian-tsy havahàna tonga nanome voninahitra hatrany amin’ny fanokafana sy amin’izao fotoana famaranana izao.Asongadina manokana ireo sampana sy sehatrasa ato amin’ny FFKM izay nanao ny ain-tsy ho zavatra nahatomombana izao dinikasa ho fampihavanana izao. Tsy adino ihany koa ny tantsoroka sy ny rehetra nanampy tamin’ny fahatanterahana ny asa. Ny nampihavaka indrindra ity dinikasa ho fampihavanana ity dia ny fandraisan’ireo mpizaika sy ireo tsara sitrapo an-tànana tanteraka ny fikarakarana sy ny lany rehetra. Mampiseho indrindra izany fa vitantsika Malagasy ny manarina sy mandray an-tànana ny ho avintsika ampian’ny fitahian-janahary.
Hoy ny tenin’ny Soratra Masina manao hoe “ISIKA TSY NAMANY IZAY MIHEMOTRA”. Noho izany ry Havana, matokià fa raha mandroso ianao, Andriamanitra hanafo Hery anao.
Antananarivo, faha 5 May 2013

Nalaina tao amin'i Mydago.com

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire


Le GTT INTERNATIONAL, collectif de la diaspora malagasy, dont le siège est à Genève (CH), poursuit un double objectif: la restauration de l'Etat de droit et le rétablissement de la Démocratie à Madagascar. Il prône et oeuvre pour la liberté d'expression, la prise de conscience citoyenne et la mise en place d'une vraie démocratie dont l'exigence première est la tenue d'un processus électoral inclusif, libre et transparent ".