mercredi 31 juillet 2013

FANAMBARANA : « Manameloka ny fisamborana tsy ara-drariny hatao an’Atoa Fanomeza RAZANADIMBY ny GTT Iraisampirenena-Genève »

Malagasy Mandresy, Madagasikara Afaka
Peuple Malagasy Gagnant. Madagasikara Libre

Winner Malagasy People. Free Madagasikara

FANAMBARANA

« Manameloka ny fisamborana tsy ara-drariny hatao an’Atoa Fanomeza RAZANADIMBY ny GTT Iraisampirenena-Genève »


Ny GTT IRAISAMPIRENENA GENEVE (GTT International-Genève) dia manao izao fanambarana sy antso manaraka izao mikasika ny zava-manjo an’Atoa Fanomeza RAZANADIMBY amin’izao fotoana izao.

Antsojay, fampihorohorona ary fanenjehana no atao an’ity mpiandraikitra ny fiarovana ny kandidà Lalao Ravalomanana ity sy ny fianakaviany ankehitriny, ary nivoaka mihitsy ny didy milaza ny fisamborana (mandat d’arrêt) azy amin’ny fomba rehetra.

Mazava amin’izany fa anisan’ny fomba maloto hanozongozonana sy hanerena an-dRtoa Lalao Ravalomanana tsy hanohy ny làlana amin’ny maha-kandidà azy izao fanenjehana sy fanilihana ireo manodidina azy izao. Tsiahivina mantsy fa efa niharan’ny antsojay toy izao koa i Jean-Marc Koumba, izay mpiara-miasa akaiky koa tamin’Atoa Fanomeza Razanadimby.

Tsy azo ekena ny trangan-javatra toy izao satria fanosihosena ankitsirano ny zon’olombelona sady koa fampanginana sy fanilihana ireo  « mpanelingelina ». Inona marina no fonosin’ny raharaha toy izao ?

Manameloka tanteraka izao zavatra izao ny GTT IRAISAMPIRENENA GENEVE, toy ny fanamelohany ihany koa ireo fisamborana tsy ara-drariny rehetra sy ny fanakanana ny tera-tany malagasy manan-jo feno tsy himpody an-Tanindrazana na hilatsaka ho fidiana.

Fitoniana no ilaina ahatongavana amin’ny vaha-olana ho an’ny Firenena fa tsy herim-pamoretana sy fampihorohorona toy izao. Efa izany foana no niainan’ny Malagasy nandritra ny 4 taona mahery.

Noho izany, dia mangataka manokana an-dRtoa Lalao RAVALOMANANA izahay mba hanao fanambarana amin'izao raharaha mampalahelo mianjady amin'Atoa Fanomeza izao.

Angatahana maika ihany koa:
  • Ny KMNR (Komity Mampandresy an'i Neny Ravalomanana), mba hilaza mazava ny misy an-dry zareo koa eo amin’izao toe-javatra izao.
  • Ny komity mpitarika ny antoko ZANAK'I DADA, izay tsy andrenesam-peo tanteraka, mba hanohitra marindrano izao teti-dratsy izao,
  • Ny mpitarika ny ankolafy Ravalomanana, solontenan'ny mpitolona tan-dalàna rehetra, mba hijoro sy hitolona marina.
Sao lahy toy ireo mpiray tsikombakomba ka mialoka ao ambadiky ny “tsy miloa-bava”.

Koa manantena anareo mba hanampy mavitrika sy hanohana ny namanareo, sady mpiara miasa (fa tsy fahavalo) Atoa Fanomeza RAZANADIMBY.

Genève, 30 jolay 2013


GTT IRAISAMPIRENENA – GENEVE
GTT International – Genève
15, rue des savoises
1200 – Genève (CH)


Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire


Le GTT INTERNATIONAL, collectif de la diaspora malagasy, dont le siège est à Genève (CH), poursuit un double objectif: la restauration de l'Etat de droit et le rétablissement de la Démocratie à Madagascar. Il prône et oeuvre pour la liberté d'expression, la prise de conscience citoyenne et la mise en place d'une vraie démocratie dont l'exigence première est la tenue d'un processus électoral inclusif, libre et transparent ".