samedi 7 septembre 2013

Kabarin'ny Filoha RAVALOMANANA - Magro - 07/09/2013

Ireto amin'ny ambangovangony ny votoatin'ny hafatra nampitain'ny Filoha Ravalomanana tamin'ny vahoaka teo Magro androany Sabotsy 07/09/2013


  • Tsy ekena io fifidianana io fa tery vay manta no atao amintsika,
  • Tsy hitondra vaha-olana ny fifidianana manilikilika,
  • Nisy taratasy nosoratana nalefa any amin'ireo mpitondra ao amin'ny SADC milaza fa tsy mety io fifidianana io,
  • Tsy marina ny nolazain'i Chissano hoe efa mandeha ny fanatontàna ny "bulletin unique",
  • Tsy miraharaha izay "sanctions" any aho, hoy izy fa ny fantatro dia tsy mety io fifdianana io,
Ho an'ny rehetra:
  • Samy tokony haneho ampahibemaso, ho ren-tany, ho ren-danitra isika Malagasy hanohatra io fifidianana io amin'ny herintsika rehetra,
  • Sahia mampiseho izany,
  • Sahia mitarika izany,
  • Tsy misy mihitsy ve mba sahy mijoro fa manana ny hasiny ny Malagasy, manana ny lalam-panorenany i Madagasikara ?
  • Manantena aho fa fantatrareo ny tiako ho lazaina

Ho an'ny mpitarika:
  • Tsy hoe lehibe akory ianareo fa mba manana ny feony koa ireo vahoaka ireo,
  • Samia mieritreritra tsara
Fanohanana Kandidà:
  • Tsy nisy fanapahan-kevitra noraisina,
  • Tsy misy toro-marika nomena,
  • Misy mandika vilana ny sasany,
Firaisankina no tokony tandrovina mandrakariva

PRM - 0709


Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire


Le GTT INTERNATIONAL, collectif de la diaspora malagasy, dont le siège est à Genève (CH), poursuit un double objectif: la restauration de l'Etat de droit et le rétablissement de la Démocratie à Madagascar. Il prône et oeuvre pour la liberté d'expression, la prise de conscience citoyenne et la mise en place d'une vraie démocratie dont l'exigence première est la tenue d'un processus électoral inclusif, libre et transparent ".