samedi 29 mars 2014

29 marsa 1947 - 29 marsa 2014: Iray ihany ny fahavalo tamin'izany ka hatramin'izao.



Ho fanamarihana ny Tolom-panafahana nataon'ireo Malagasy Tia Tanindrazana niady sy mamoy ny ainy nanohatra ny mpanjana-tany frantsay.


Azo ambara fa iray ihany ny fahavalo tamin'izany ka hatramin'izao, dia ireo tompo-menakely tsy mitsahatra mangorona ny harenantsika. Ny endrim-panjanahana fotsiny no tsy mitovy fa ny fototra dia iray ihany. 

Mbola hanaiky hatrany ve isika ho zanahin'ny mpanjana-tany? Io no fanontaniana mibosesika ao an-tsaina.

Raha mbola teao mantsy ry dadabe, ry bebe, ry dada sy ry neny dia tsy ho kamboty toy izao ny Malagasy.

Tamin'izany vitsy ireo manam-pahaizana, fa maro no tia Tanindrazana. Ankehitriny kosa, be ireo avara-pianarana fa tsy sahy maneho na menatra mihitsy mijoro amin'ny maha-Malagasy azy.

Be olo-manga isika fa mahantra olon-kendry. Be manam-pahaizana fa mahantra olona tena tia Tanindrazana.

Indreto ary tononkalon-dRado, olo-manga mpanoratra tia Tanindrazana antenaina hamoha indray ny fitiava-Tanindrazana mety matory any anatintsika Malagasy rehetra any.

Mihainoa finaritra Tompoko.



http://youtu.be/4dZv9xtqHp0



vendredi 28 mars 2014

GTT International Genève - MADAGASCAR - M. Rajaonarimampianina pris en flagrant délit de mensonge : « Il n’y a plus de prisonniers politiques à Madagascar »

Malagasy Mandresy, Madagasikara Afaka
Peuple Malagasy Gagnant. Madagasikara Libre
Winner Malagasy People. Free Madagasikara

COMMUNIQUE

MADAGASCAR - M. Rajaonarimampianina pris en flagrant délit de mensonge : 
« Il n’y a plus de prisonniers politiques à Madagascar »


Nous,  GTT INTERNATIONAL – GENEVE, voulons exprimer notre vive indignation face aux mensonges prononcés par M. Rajaonarimampianina, lorsqu’il soutient publiquement devant la Communauté Internationale qu’ « il n’y a plus de prisonniers politiques à Madagascar ».

Nous ne pouvons tolérer une telle malhonnêteté, digne d’un comportement de voyou. Nous nous devons, à ce titre, de rétablir la vérité en apportant la preuve contraire à travers la liste ci-après des détenus politiques dans les prisons malagasy, liste arrêtée en mars 2014.

Ce mensonge fait partie de la stratégie de M. Rajaonarimampianina pour tenter de blanchir ou nettoyer son côté putschiste. Faut-il rappeler qu’il faisait partie du gouvernement putschiste de transition en occupant le poste-clé de Ministre des Finances, fonction qui lui a permis d’être au premier plan, voire complice de pillages, de crimes et plus généralement de cette gestion opaque du régime Rajoelina digne de la mafia. Sa responsabilité est entière face à la situation que connaît le pays actuellement (extrême pauvreté, insécurité quotidienne, trafic en tous genres,…).

En réalité, nous assistons à une comédie qui frise le comique. Car plus de deux mois après son accession au pouvoir, rien n’a changé, c’est le prolongement du régime de transition qui prévaut maintenant. Aucune des mesures annoncées et prévues n’est réalisée :
  • C’est le même gouvernement, celui de M. Beriziky, qui est maintenu,
  • Outre le cas des prisonniers politiques, aucun des médias fermés auparavant n’est autorisé à ré-ouvrir,
  • Aucun exilé politique n’est autorisé à retourner au pays. On remarque au passage la discrétion du pouvoir (ou plutôt la volonté d’oublier) concernant le sort du Président Ravalomanana.
Tout ceci montre que M. Rajaonarimampianina n’a point l’intention d’apporter du changement et encore moins de l’apaisement. Il se situe dans la droite ligne du régime totalitaire précédent. Croire qu’il veut la rupture avec le chef putschiste Rajoelina relève d’une naïveté manifeste.

Genève, le 28 mars 2014


GTT INTERNATIONAL – Collectif de la Diaspora
15, rue des Savoises
1200 Genève – SUISSE


ANNEXE : Liste des détenus politiques (situation Mai 2014)


DETENUS POLITIQUES: SITUATION MAI 2014


ENCORE EN DETENTION

AFFAIRE FIGN
Nom et Prénoms
Grade
Prison
RANDRIANJAFY Raymond
Lieutenant Colonel
Tsiafahy
FIKISY Lydie
GP2C
Tsiafahy






AFFAIRE BANI

Nom et Prénoms
Grade
Prison
RAOELINA Jean Heriniaina
Général de Brigade - Armée
Tsiafahy
ANDRIAMIHAOTRA Rajaomilison Jules
Colonel - Armée
Antanimora
COUTITI Assolant
Colonel - Armée
Tsiafahy
JADIFAR A. Laurent
Colonel - Armée
Antanimora
ANDRIANASOAVINA Charles
Lieutenant Colonel – Armée
La Réunion













AFFAIRE BOMBE ET VIVA (2009) :
Nom et Prénoms
Grade
Prison
RAZAFIMANDIMBY Jonathan
Adjudant – Armée
MOP : Main d’Œuvre Pénale


AMNISTIES ET EN LIBERTE

Nom et Prénoms
Grade
Observations
RANDRIANIRINA Arsène     
G2C
Affaire FIGN
Placé en position de non activité pendant 3 mois à/c du 10/03/2014
RAKOTOZAFY Aimée Patrick     
GPHC
Affaire FIGN
Maintenu en activité
RELAVA Jean       
GP2 C
Affaire FIGN
Maintenu en activité
RANDRIANASOLO Yves Richard  
G2C
Affaire FIGN
Maintenu en activité
SOLOFONANDRASANA Sissi Olivier
G2C
Affaire FIGN
Maintenu en activité
RANDRIAMANANTENA Willaume
CE (Commandant Gendarmerie)
Affaire FIGN
Retraité par mesure disciplinaire
RAMANANDRAIBE Noel
GPCE
Affaire FIGN
Placé en position de non activité pendant 6 mois à partir du 18/02/2014
RAKOTONANDRASANA Zafy Jean François
GHC
Affaire FIGN
Retraité par mesure disciplinaire
RAMBOASALAMA
Colonel
Affaire BANI

ANDRIAMBAHOAKA Faustin Rabetokotany
Colonel - Gendarmerie
Affaire BANI

RABERANTO Alfred
Colonel - Armé
Affaire BANI

 TOTO Vincent
Colonel - Gendarmerie
Affaire BANI
RAVOAVAHY
Colonel - Armé
Affaire BANI
RAKOTONANDRASANA Noel
Général de Brigade - Armée
Affaire BANI
ZAKARIASY Patrick
Civil
Tangalamena
Affaire Bois de Rose

RAMBATSY Alison José
G2C
Affaire FIGN
Placé en position de non activité pendant 3 mois à partir du 14/02/2014
RATOVOARISOA Andonirina Harinaivo
G2C
Affaire FIGN
Maintenu en activité
ANDRIAMAMONJISOA Alain  dit Jack
G2C
Affaire FIGN
N’a pas fait objet d’un Conseil d’enquête, ni de dossier disciplinaire
RAKOTOVAHOAKA Jaona Andriamihaingo
G2C
Affaire FIGN
Maintenu en activité
RAMAHALISON Hery Liva Arthur
GP2 C
Affaire FIGN
Mise à la retraite disciplinaire
TOMBO Jean Claudio (FIGN)

Lieutenant
Affaire FIGN
Radiation des contrôles de la GN
RABETAFIKA Jean Claude

Sergent - Armée
Affaire tentative assassinat Rajoelina
RAMANDRY Hery Maminananahary  Judicaël

Civil
Affaire tentative assassinat Rajoelina


Antananarivo, 21 mars 2014

(Mis à jour mai 2014)


samedi 15 mars 2014

GTT International-Genève: Hafatra ho an’ny vahoaka Malagasy tsy vaky volo



Tonga ny fotoana hiarovana ny Taranaka
Fanampiana ara-bola avy any ivelany: Tsy azo ekena ho trosa hianjady amintsika sy ny taranaka !


Efa 2 volana mahery izao no vita ny fifidianana izay tsy nifaneken'ny rehetra noho ny sandoka sy tery vay manta natao tamintsika. Kanefa iaraha-mahita fa tsy miroso any amin’ny làlana tokony izorany ny Firenena. Mbola krizy politika hatrany no mitohy raha jerena ny zava-mitranga tato ho ato. Efa nampoizina mihitsy izao fizotran-javatra izao noho ny famolavolana fifidianana kitoatoa ho an’ny Malagasy izay notohanan'ny ny Fianakaviambe Iraisampirenena[1].
Hita soritra fa sarotra sy tsy mazava ny fampiharana ny Lalam-panorenena, izay tsy nifanekena fa notefen'ny FAT irery tamin’ny 2010,  ary hita fa mikatso sahady ny fanendrena Praiminisitra, izay asa voalohany tokony tontosain' Atoa Rajaonarimampianina.  Ny vokany dia mitohy ny governemanta tetezamita tarihin’Atoa Beriziky satria nisafidy ny haka fotoana maharitra Atoa Rajaonarimampianina.
Nisy ihany ny fanendrena natao teo anivon’ny andrim-panjakana sasany kanefa toa tapi-maso fandrebirebena sy fampatoriana  ny Malagasy fotsiny izany. Manjaka hatrany ny kitranoantrano. Ireo mpitondra sasany vao notendrena dia mpiara-nandray anjara mivantana na ankolaka  tamin’ny fanonganam-panjakana avokoa. Anisan'izany:
·         Atoa Jean-Eric Rakotoarisoa, mpahay lalàna sady mpanentana mivantana ao amin’ny SEFAFI (Sehatra Fanaraha-mason’ny Fiainam-pirenena). Ny fanendrena azy ao amin’ny HCC dia nolavin'ny vondron'ny mpitsara. Ary Voalaza ombieny ihany koa fa anisan’ny mpiray tsikombakomba tamin’ny mpanongam-panjakana tamin’ny 2009 io SEFAFI io[2].
  • Atoa James Andrianalisoa, mpanolotsaina manokan’Atoa Rajaonarimampianina, izay marihana fa mbola filohan’ny filan-kevim-pitondran’I Air Madagascar (Président du Conseil d’Administration). Raha todihana ny lasan’Atoa Andrianalisoa talohan’izao fanendrena azy ho tale jeneralin’I ACM izao, dia tokony handalo fitsarana izy[3].
  • Atoa Ny Hasina Andriamanjato, izay voatendry ho PDS Antananarivo. Anisan’ireo nandray anjara tamin’ny famonoan’olona tamin’ny 26 janoary sy 07 febroary 2009 ny tenany [4]
Raha bangoina dia resaka fanodinana sy fandrebirebena saim-bahoaka no ataon’ireo eo amin’ny fitondrana amin’izao fotoana, mba ialany amin’ny fanatanterahana ireo asa tokony atao rehetra ampiverina ny fitoniana ary voalaza ao amin’ny tondrozotra, indrindra ireto manaraka ireto:
  • Tsy mbola tafaverina ao an-Tanindrazana hatramin’izao ireo sesi-tany noho ny antony ara-politika, anisan’izany ny Filoha Ravalomanana. Vao mainka aza miantsy ady Atoa Randrianasolo (Mpitsara ambony – Procureur général) izay nanambara fa “hosamborina Atoa Ravalomanana raha vao miverina an-Tanindrazana”. Mifanipaka tanteraka amin’ny fitoniana dradrain’Atoa Rajaonarimampianina ombieny ombieny izany!
  • Ireo gadra politika dia mbola any amponja,
  • Tsy mbola misy mivoha ireo haino aman-jery nakaton’ny fitondrana Rajoelina,
  • Tsy misy fanehoan-kevitra malalaka, ny fampahalalam-baovao dia voageja[5]. Vao mainka aza nanamafy ny Filankevitry ny Ministra (27/02/2014) fa ho enjehina izay mpanao gazety sahy mitsikera,[6]
  • Mitohy hatrany ireo halatra sy fanodinkodinana ary fandrobana ny harem-pirenena. Vao tsy ela, dia nisy sambo tanzaniana nahatratrarana andramena an-taoniny maro tany amin’ny faritra atsinanan’ny Nosy[7]. Nanjavona ihany koa ny vola mitentina 230 miliara Ariary[8] izay an’ny Banky Foibe, kanefa dia tsy narahana famotorana akory. Torak’izany koa, ny vola 100 miliara Ariary lanin’Atoa Rajaonarimampianina tamin’ny  fampielezan-kevitra dia tsy nisy fanadihadiana,
  • Manjaka ny tsy fandriampahalemana, ary mihazo ny any ambanivohitra izany ankehitriny ka mahatonga ny tantsaha mihitsy hangataka fahazoan-dàlana hitam-basy hiarovany ny tenany[9].
  • Mbola ireo mpanongam-panjakana daholo ihany no eo amin’ny fitondrana, ary vao mainka aza nahazo hery ry zareo satria “voadio” ny heloka bevava nataony sady azony ihany koa ny fankatoavan’ireo Fianakaviambe Iraisam-pirenena taorian’ny fifidianana sandoka sy feno hala-bato. Fantatra ihany koa fa mbola “masi-mandidy” foana Atoa Ratsirahonana satria lasa mpanolo-tsainan’Atoa Rajaonarimampianina indray izy amin’izao fotoana.
Manoloana ireo zava-misy ireo, dia ny Fianakaviambe Iraisampirenena, izay nanery ny Malagasy hanao fifidiana sandoka, feno halatra sy hosoka, no tsy manao ny asany. Ho gaga ve isika raha tsy misy ny fiovàna?
Mandalo fotoan-tsarotra hatrany ny Firenena,kanefa tsy afaka ny ho kivy isika vahoaka Malagasy fa zo sy adidy hoan'ny taranaka fara-mandimby ny fiarovana ny harem-pirenena.
Koa, manainga antsika vahoaka Malagasy hijoro ka tsy hanaiky mora foana ny fandrobàna sy ny varo-boba atao amin’ny Tanindrazantsika. Tokony ho saro-piaro ihany koa isika amin’ny harem-pirenentsika sy izay hiafaran’ny Taranaka.
Tsy azo ekena ny famatsiam-bola avy any ivelany raha tsy misy fanaraha-maso mazava sy hentitra mba handeha any amin’ny tokony alehany ny vola. Tsy ny vahoaka Malagasy izay efa ao anatin’ny fahantrana lalina indray no voatery mbola hamerina ny vola tsy nampiasainy.
Tsy tokony hanaiky ho tompon’antoka velively amin’ny famerenana ny trosa tsy nampiasaina ny Firenena Malagasy sy ny taranaka faramandimby. Andraikitr’ireo mpitondra manodikodim-bola sy ny mpamatsy vola azy izany.

Aoka isika tsy hanaiky lembenana ary hijoro ho tena olom-pirenena !



Genève, 15 marsa 2014

GTT INTERNATIONAL GENEVE - Collectif des Patriotes Malagasy
15, rue des Savoises
1205 GENEVE - SUISSE








[1] Raha ny marina dia 25% des Malagasy no nifidy an’Atoa Hery Rajaonarimampianina (2 tapitrisa amin’ny  8 tapitrisa mpifidy).
[3] Ny Tale jeneraly vaovaon’ny ACM (Tale jeneralin’i Air Mad taloha), naman’Atoa Rajaonarimampianina (izay marihana fa Filohan’ny CA Air Mad), dia sesi-tany tany Frantsa. Nahazo baikom-pisamborana na « mandat d’arrêt international » tamin’izany fandosirany izany izy. Nokaramain’ny fitondrana tetezamita vola tsy toko tsy forohina ny tenany tamin’ny 2012 hanarina ny Kaompaniam-pitanterana, kanefa tsy nisy vokany nivaingana akory.
[5] Madagasikara dia faha-88 (amin’ny firenena miisa 179, aorian’i Niger sy Burkina Faso) amin’ny filaharana eran-tany mombq  ny fahalalahana eo amin’ny sehatry ny fampahalalam-baovao (Filaharana nataon’ny RSF)

Le GTT INTERNATIONAL, collectif de la diaspora malagasy, dont le siège est à Genève (CH), poursuit un double objectif: la restauration de l'Etat de droit et le rétablissement de la Démocratie à Madagascar. Il prône et oeuvre pour la liberté d'expression, la prise de conscience citoyenne et la mise en place d'une vraie démocratie dont l'exigence première est la tenue d'un processus électoral inclusif, libre et transparent ".