Lors de cette rencontre, riche en convivialité, le Président a confirmé sa volonté de se porter candidat aux élections de 2018.
----------------
Nandalo tao
Parisy ny filoha Ravalomanana ny 9 juillet lasa teo ary
namaly ny antson’ny Diaspora malagasy monina aty Eoropa
hihaona aminy. Tao
Chilly-Mazarin (Atsimon'i Parisy) no natao ny fihaonana
ary momba ny toe-draharaham-pirenena amin'izao fotoana
izao no votoatin-dresaka tamin'izany.
Nahatsapa
ireo malagasy monina any
ivelany fa tena latsaka anaty lavaka lalina i Madagasikara
amin’izao fotoana izao.
Tadidy fa teo andalan’ny fandrosoana ny
firenena tamin’ny 2008 kinanjo voasompatry ny
fanonganam-panjakana,
koa ankehitriny dia ny fanjakan’ny baroa no hiainana. Tsy
misy antenaina ny hoavin’ny firenena raha toa ka mitohy
hatrany ny fandrobana ny harem-pirenena, ny fampihorohorona vahoaka,
ny jadona, ny halatra,
ny vono-olona, ny fanapenam-bava,
ny fisolokina mivantana sy halatra
ambony latabatra, ny kolikoly izay efa hita nanomboka
tamin’ny 2009 ka hatramin'izao
Manoloana izany toe-javatra rehetra izany
dia manohana tanteraka ny hilatsahan’ny filoha Ravalomanana
indray amin’ny fifidianana 2018 izy ireo satria izy
irery ihany no hita taratra sy nanome porofo fa
mitondra an'i
Madagasikara amin’ny lalan’ny fivoarana.
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire