Marc Ravalomanana any Parisy: Nanamafy ny maha-kandidà azy
11/07/2016
Nohamafisin’Atoa Marc Ravalomanana tamin’io
fihaonana tamin’ireo Malagasy tao Chilly Mazarin (Paris) ny filatsahany
amin’izay fifidianana ho filoham-pirenena manaraka ho avy eo.
Nahafaly tokoa ireo
Malagasy monina any an-toerana izao fihaonana tampoka izao satria
nahafahana niresaka sy nifanakalo hevitra. Maro karazana ireo
lohahevitra voaresaka tao ary nisongadina ny fiantsoan’i Marc
Ravalomanana ny Malagasy mba hanambatra ny heriny sy hiray hina. Tapaka
tamin’izany koa fa feo iray ihany no andrenesana ny Gtt izay nanome toky
teo imason’ny filoha Ravalomanana fa handray ny andraikitra tandrify
azy amin’ny fanohanana azy ho lany filoham-pirenena indray.
Nangonin’i RTT
http://www.tiatanindrazana.com/politique/marc-ravalomanana-any-paris-nanamafy-ny-maha-kandida-azy-2016-07-11-22824.php
**********************************
Hanohana an-dRavalo ny GTT
*************
Midi Madagasikara (15/07/2016)
Ravalomanana tao Paris : Nitaraina taminy ny Diaspora
Nandalo tao Paris ny filoha Ravalomanana, ny 9 jolay lasa teo ary
namaly ny antson’ny Diaspora malagasy monina aty Erôpa nihaona taminy.
Tao Chilly-Mazarin (Atsimon’i Paris) no natao ny fihaonana ary momba ny
toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao no vontoatin-dresaka
tamin’izany. Hery Andriamparany, tompon andraikitry ny serasera
an’ny GTT International no nanazava, fa « nahatsapa ireo malagasy monina
any ivelany fa tena latsaka anaty lavaka lalina tanteraka i
Madagasikara amin’izao fotoana izao. Tadidy fa teo an-dalan’ny
fandrosoana ny firenena tamin’ny 2008 kinanjo voasompatry ny
fanonganam-panjakana, koa ankehitriny dia ny fanjakan’ny baroa no
iainana. Tsy misy antenaina ny ho avin’ny firenena raha toa ka mitohy
hatrany : ny fandrobana ny harem-pirenena, ny fampihorohoroana, ny
jadona, ny halatra, ny vono olona, ny fanampenam-bava, ny fisolokiana
mivantana sy halatra ambony latabatra, ny kolikoly izay efa hita
nanomboka tamin’ny 2009 ka hatramin’izao ». Manoloana izany
toe-javatra rehetra izany, dia manohana tanteraka ny hilatsahan’ny
filoha Ravalomanana indray amin’ny fifidianana 2018 izy ireo satria izy
irery ihany no hita taratra sy nanome porofo fa mitondra an’i
Madagasikara amin’ny lalan’ny fivoarana. Niafara tamin’ny fialana
hetaheta sy fiaraha-misakafo ny fihaonana tao Paris.
r.f
http://www.midi-madagasikara.mg/faits-divers/2016/07/15/ravalomanana-tao-paris-nitaraina-taminy-ny-diaspora/
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire