dimanche 17 juillet 2016

DÉCLARATION DE LA COMMISSION ÉPISCOPALE JUSTICE ET PAIX: Commission Episcopale Justice et Paix (VO)


Ho an’ny tompon’andraikitra isan’ambaratonga eto amin’ny firenena,
Ho an’ny vahoaka malagasy sy ireo olona tsara sitra-po.

Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin’i Jesoa Kristy Tompo !
Tankina ny Malagasy rehetra raha nandre tao amin’ireo fampitàm-baovao ny zava-nitranga nahatsiravina izay nahitàna fandripahan’olona tsy manan-tsiny nataon’ireo dahalo ka nahafoizana ain’olona maro. Nanampy trotraka ny fisian’ny zava-misy tao Ambotry Ambalavao tamin’ny fanafihana nataon’ny miaramila maka endrika dahalo.

Valaketraka ny maro raha nahita ny sarin’ireo izay namoy ny ainy sy naratra vokatry ny fitorahana grenady tao amin’ny kianjan’i Mahamasina, nandritra ny fampisehoana nentina nankalazana ny fetim-pirenena ny tolakandron’ny 26 jiona 2016.

Tianay ao amin’ny Vaomieran’ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fandriam-pahalemana (Justice et Paix) ny maneho etoana ny fiaraha-miory amin’ireo fianakaviana namoy havan-tiana sy mirary fahasitranana haingana ho an’ireo naratra ary mitrotro am-bavaka anareo rehetra.

Vao tsy ela akory izay dia nisahotaka ny tantsaha tao Bealanana sy tao Soamahamanina noho ny fitrandrahana ataon’orinasa vahiny eo amin’ny tany nohajarian’izy ireo hatry ny ela.

Ireo toe-javatra ireo, raha tsy hiteny afa-tsy ireo, dia loharon-tebiteby ho an’ny vahoaka malagasy izay efa trotraky ny adim-piainana ankehitriny.
-Mandry andriran’antsy tokoa mantsy izy amin’izao fotoana izao. Mandry andriran’antsy satria ny Fanjakana tsy mahavita miaro ny ain’ny olona sy ny fananany : maro ireo namoy ny ainy tato anatin’ny telo taona noho ny fanafihana tetsy sy teroa. Marina fa nanao ezaka ny fitondrana hamongotra ny asan-dahalo nefa toa tsy ampy hery eo anatrehan’ireo mpanao ratsy izay manao ny lalàny.

-Manjavozavo ny ho avy, satria ny tany natao ho fototry ny fivelomana sy ilevenan’ny razana amidy amin’ny hafa.

-Manampy trotraka an’ireo ny tsy fanajana ny rariny sy ny hitsiny, indrindra eo amin’ny sehatry ny fitsaràna. Lasa fomba fanao ny fitsaram-bahoaka, izay maneho ny tsy fitokisan’ny vahoaka amin’ireo izay tokony hampihatra ny rariny. Very an-javony noho izany ny fametrahana ny hoe fanjakana tan-dalàna.

-Manjaka ny risoriso sy ny fahalovana amin’ny sampan-draharaha maro sy amin’ny fiainana andavanandro. Tsy misy tsy vitan’ny vola amin’izao fotoana izao, ka mampiteny ny moana ny fisian’ny tsy fahamarinana aterak’izany.

Vokatr’ireo : mahazo faka ny fitiavan-tena, mifampiahiahy ny mpiara-monina ary marisarisa ny fiaraha-miaina sy ny fandriam-pahalemana.

Eo anatrehan’ireo zava-misy mahavalalanina, dia manao antso avo aminareo tompon’andraikitra ambony eto amin’ny tany sy ny Fanjakana izahay ato amin’ny Vaomieran’ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fandriam-pahalemana ka manolotra soso-kevitra vitsivitsy :
1.Ilaina ny anaovana latabatra boribory anasàna ny ankolafin’olona rehetra mba ahafahan’ireo tompon’andraikitra mihaino ny hetahetan’ny vahoaka. Fifanakalozan-kevitra momba ireo olana sedraina ankehitriny mba itadiavana vahaolona maharitra no atao, fa izay ihany no heverinay fa làlana ahafahana misoroka ny savorovoro mety ho lasa pitik’afo hampirehitra ny vanja. Dia miangavy anareo antanan-droa mba tsy hanao be marenina na hatoky tena toy ny antsy be zara.

2.Anisan’ny zavatra maika ny fampanjakana ny rariny sy ny hitsiny, indrindra eo amin’ny sehatry ny fitsaràna sy ny fiahiana ny fandriam-pahalemana. Aoka ho tsaroana fa tsy hisy ny fandriam-pahalemana vanona raha tsy ampanjakaina ny rariny sy hitsiny, hoy ny Papa Joany Paoly II.

3.Ampiharina ny mangarahara amin’ny fitrandrahana ireo harena an-kibon’ny tany, ary tsinjovina mandrakariva ny soa iombonana sy ny hasina maha-olona raha misy fanapahan-kevitra goavana momba izany. Amin’izany, dia ilaina ny hanendrena ireo solontenan’ny sokajin’olona sasantsasany ao anatin’ireny vondrona manadihady ny fiantraikan’ny fitrandrahana eo amin’ny tontolo iainana. Nanamafy an’izany ny Papa François ao amin’ny Ansiklika (Laudato si) nosoratany momba ny fiarovana ny tontolo iainana, 2015). Izany no hatao dia ny mba hisorohana ny kiantranontrano na ny kolikoly eo amin’ ny fanomezan-dàlana ho an’ireo mpitrandraka.

4.Beazina amin’ny tena demokrasia manaja ny soa toavina sy ny hasina maha-olona ny olom-pirenena (cf. Joany Paoly II, Centesimus annus, 1991), ka tsy tokony hisy fangejàna ny fahafahana maneho hevitra, indrindra raha mahasoa ny firenena.

Eto am-pamaranana, tsara ny mampahafantatra fa ny Fivondronam-ben’ny Eveka dia mbola hanohy izao fanambaràna izao.

Koa mankahery ny vahoaka sy ireo olona tsara sitra-po rehetra amin’ny ezaka ataony hijoroana amin’ny fahamarinana ny Vaomieran’ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fandriam-pahalemana ary mitondra am-bavaka ny firenena sy ireo mpitondra mba ho afaka hanao dingana mankany amin’ny fampanjakana ny rariny, ny fandriam-pahalemana ary ny fanajàna ny zon’olombelona isika rehetra.

Antananarivo, 15 Jolay 2016

Monseigneur Roger Victor RAKOTONDRAJAO
Président de la Commission Episcopale Justice et Paix.
P. Jean Germain RAJOELISON
Secrétaire Général.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire


Le GTT INTERNATIONAL, collectif de la diaspora malagasy, dont le siège est à Genève (CH), poursuit un double objectif: la restauration de l'Etat de droit et le rétablissement de la Démocratie à Madagascar. Il prône et oeuvre pour la liberté d'expression, la prise de conscience citoyenne et la mise en place d'une vraie démocratie dont l'exigence première est la tenue d'un processus électoral inclusif, libre et transparent ".