jeudi 22 décembre 2011

GTT International Genève Toamasina “Marc Ravalomanana no vahaolana”

22/12/2011
Tsy tara amin’ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena ny fikambanana GTT International Genève sampana Toamasina.
 Manoloana ny fanambarana nataon’ny Filoha Marc Ravalomanana ny amin’ny tsy maintsy hodiany eto Madagasikara, dia efa mivonona tanteraka amin’izany ireo tanora Gasy Tia Tanindrazana. Nisy ny fivoriana nataon’izy ireo ny talata 20 desambra teo niaraka tamin’ny solontenan’ny mpikambana avy ao Analanjirofo. Nisy ny toromarika nomena ireo GTT ao Fenoarivo-Atsinanana, mba hanentana hatrany ireo tanora any amin’ity Faritra ity hiomana amin’ny fitsenana ny Filoha Ravalomanana. Nanambara ireo mpitarika ny fikambanana GTT International Genève Toamasina fa vonona hatrany amin’ny fotoana hahatongavany eto Madagasikara. Marihina fa misy amin’ireo andian-tanora mivondrona ao anatin’ny GTT International Genève no nanohana an’i Andry Rajoelina tamin’ny 2009 ireny, fa noho ny fahatsapana fa tsy nitondra fanovana ity fitondrana ity fa fandrobana dia tapa-kevitra sy resy lahatra fa mila averina eo amin’ny Fitondrana ny Filoha voafidim-bahoaka, Marc Ravalomanana.
Nanamarika koa izy ireo fa efa tsy mahafehy ny zava-misy eto Madagasikara ny FAT porofon’izay ny zava-misy ankehitriny. Ny filoha Marc Ravalomanana mody an-tanindrazana no vahaolana sy hisian’ny fitoniana politika, hoy hatrany ireo mpikambana ao anatin’ny GTT International Genève sampana Toamasina ireto.
Rakoutou

http://tiatanindrazana.com/pages/modules.php?id=6252&idcat=2


Vaovao RNA Toamasina - Talata 21/12/2011

Vaovao RNA TOAMASINA Mardi 21 Déc 2011 à 21 H



1 commentaire:


Le GTT INTERNATIONAL, collectif de la diaspora malagasy, dont le siège est à Genève (CH), poursuit un double objectif: la restauration de l'Etat de droit et le rétablissement de la Démocratie à Madagascar. Il prône et oeuvre pour la liberté d'expression, la prise de conscience citoyenne et la mise en place d'une vraie démocratie dont l'exigence première est la tenue d'un processus électoral inclusif, libre et transparent ".