mardi 28 février 2012

GTT INTERNATIONAL GENEVE Nizara vary tao Toamasina - Sary


Manoloana ny fandalovan’ny andro ratsy Giovanna sy ny mbola fisian’ny andro ratsy ao Toamasina, tsy nitazam-potsiny ny fikambanana GTTInternational Genève fa nitondra izay  voatsirambin’ny tanana entina
hanamaivanana ny fahasahiranam-bahoaka tamin’ny alalan’ny fanomezana vary. Ny tolakandron'ny alahady 26 febroary no natao ny fizarana izany tao Ankirihiry Avaratra ka tokantrano miisa 70 avy amin’ny fokontany 7 samihafa no nahazo fanampiana.
Nanolotra izany tamin’ny anaran’ny birao foibe GTT International Genève ireo solontenan’izy ireo ao
Toamasina. Velom-pisaorana tamin’ izao ezaka nataon’ny fikambanana sy hetsika mifono fitiavana izao ireo rehetra nahazo ny anjarany satria na any an-tany lavitra tsy manadino ny mpiray tanindrazana ary miteny
ho azy hoy izy ireo ilay anarana entin’ny fikambanana Gasy Tia Tanindrazana.


Marihina fa ampahany voalohany ihany ity fanampiana natao tao Toamasina ity fa mbola ho avy ny any amin'ny Faritra Analanjirofo izay misy traboina ihany koa.


Sary:


Mickaelys, nanokatra ny fizarana  ampahany amin'ireo nizarana fanampiana  hentitra ny fanaraha-maso ny fizarana   P1000966   P1000968  P1000969

Interview Gynot - Radio RNA

INTW GTT TOAMASINA FIZARANA VARY




Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire


Le GTT INTERNATIONAL, collectif de la diaspora malagasy, dont le siège est à Genève (CH), poursuit un double objectif: la restauration de l'Etat de droit et le rétablissement de la Démocratie à Madagascar. Il prône et oeuvre pour la liberté d'expression, la prise de conscience citoyenne et la mise en place d'une vraie démocratie dont l'exigence première est la tenue d'un processus électoral inclusif, libre et transparent ".