samedi 24 août 2013

Ventin-kevitra tamin'ny Hafatry ny Filoha (24/08/2013)

Ireto ny ventin-kevitra azo tazonina raha niditra mivantana tao magro ny Filoha Ravalomanana androany Asabotsy 24/08/2013:


  • Ao anatin’ny tebiteby toa very fanahy mbola velona ny Malagasy, ary indrindra indrindra voahitsakitsaka ny zo aman-kasiny.
  •  Ny zo fototra ahafahana misafidy izay olona hitondra dia nataon’ny olona tsinintsinona fa voahitsakitsaka.
  • Tsy mora ny toerana mahazo ny Malagasy fa tena mijaly fadiranovana.
  • Ny 91% n’ny Malagasydia mahita sy milaza fa tena diso tanteraka ary mandeha any amin’ny tsy tokony ho izy ny fitondrana ny Firenena amin’izao fotoana izao.
  • Manampy izany ny fitsabahana sy ny fanaovana tsinontsinona ny fiandrianam-pirenena izay ataon’ny vahiny.
  •  72% n’ny vahoaka dia mahatsapa fa natao tsinontsinona ny maha-Malagasy antsika satria ny vahiny avy aty ivelany no mibaiko sy maniraka olona handamina sy hanao fitaovana ary hanao tsindry hazo lena, manararaotra ny fahasahiranana ary indrindra mitondra ny iraka ampanaovin’ireo firenena izay mitady ny tombotsoany manokana hanindry ny safidin’ny vahoaka Malagasy.
  • Misy dia misy tokoa ny Malagasy tsy nanaiky ny tsindry hazo lena, tsy nanaiky ny mizàna tsindrin’ila ary indrindra ny fiarovana ny hasin’ny maha-Malagasy.
  • 72% n’ny Malagasy dia milaza mihitsy fa efa tena tsy izy intsony izao ataon’ny vahiny antsika izao, ary tsy ny vahiny rehetra akory satria tsy mitovy hevitra izy ireo.
  • Nilaza sy nanambara tamin’ireo vahiny ireo aho fa tsy rariny loatra ny teny midina ataonareo manilika sy tsy manaja izay tondrozotra nifanarahana.
  • Dia tampoka teo dia nilaza tamiko ry zareo fa vonona ny hihaona amiko izy amin’ny herinandro ambony.
  • Tsy mitsahatra andro aman’alina aho miady mba hamerenana an’I Madagasikara mba ho Firenena tan-dalàna.
  • Noho ny fananan’ny Malagasy harena tsy took tsy forohana no mahatonga ny sasany hanao izao tsindry hazo lena izao.
  • Noho ny harenan’ny Malagasy no izarazaran’ny sasany ny vahoaka Malagasy.
  • Samia mieritreritra sy mandinika tsara fa ny harenantsika an-kibon’ny tany dia tavanin’ny sasany fotsiny ary tadiaviny hanjakana.
  • Tsy hanaiky izany mihitsy aho ary ny andro sisa hiainako dia hanasoavako ny Malagasy fa tsy seza tadiavina akory.
  • Ireo izay milaza fa manohana ny Filoha Ravalomanana na manohana ny Ankolafy ka mijery ny seza ipetrahany, dia tsy manohana izy izany. Raha manohana ahy marina izy, dia tsarovy fa noho ny tsy fidiny mahazo ireo fahantran’ny Malagasy ireo, dia mila mijoro isika ary tsy hanaiky lembenana ka ataon’ny sasany fitaovana.
  • 1% n’ny Malagasy fotsiny no manana tombotsoa amin’izao fitondrana izao.
  • Manararaotra amin’izao fisaritahana sy fahasahiranana ara-politika izao ny vahiny sasany mba handrobàna ny fananana, hanaovana tsinontsinona ny maha-Malagasy. Etsy an-daniny koa, dia tsy mandeha amin’izay laoniny ny ataon’ny mpitantana.
  • Tsy mbola nisy firenena eto an-tany ka ny avy aty ivelany no nibaiko hanesorana andrim-panjakana.
  • Manainga ny ambom-pon’ny Malagasy rehetra aho, na tia ahy na tsia, na manohana ahy na tsia, mba hijoro amin’ny maha-Malagasy azy.
  • Mba mijoroa ianareo mpitsara amin’ny marina fa aza dia matin’ny tombontsoa.
  • Mampiteny ny moana ny zava-misy: misy ny didy azo ivalozana ary misy ny tsy azo ivalozana.
  • Samia mihaino ny feon’ny fieritreretany ary ny firaisankina no zava-dehibe.
  • Na iza na iza ho lany eo, ka ao anatin’ny fahalalahana, mangarahara ary mandray anjara daholo ny rehetra, dia izay no atao hoe fifidianana, izany hoe safidim-bahoaka.
  • Izay toro-marika omeko no tokony arahina satria misy ny zavatra tsy fantatry ny mpitarika ao Madagasikara.
  • Tsy hanaiky lembenana velively aho amin’ny fivoriana izay atao miaraka amin’ny iraisampirenena.
  • Aza matahotra fampitahorana na fandrahonana etsy sy eroa fa mijoroa amin’izay hiaro ny fananantsika.
  • Ianareo mpanao gazety dia aoka tsy ho faly hivarotra fotsiny fa milazà ny marina.
  • Ianareo mpitandro ny filaminana, ianareo “observateurs” dia mijoroa mba ho tena ny safidin’ny vahoaka marina no hivoaka ao.
  • Ianareo mpitarika ny ankolafy dia aoka izay tena misy marina resahina amin’ny vahoaka.
  • Hino ve isika fa ho tanteraka ny fampihavanana aorian’ny fifidianana? Tsy mbola nisy an’izany hatramin’izay, diso be izany.
  • Tokony hifamela aloha isika araky ny lazain’ny FFKM.


Momba ny FFKM:
  • Manohana 100% tsy misy fepetra ireo Ray aman-dreny am-panahy aho
  • Tohizo ny asa ataonareo,
  • ataovy ny fampihavanana ny vahoaka Malagasy,
  • tena miandrandra anareo izy ireo.


Ny Filoha Ravalomanana

Horonam-peo :

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire


Le GTT INTERNATIONAL, collectif de la diaspora malagasy, dont le siège est à Genève (CH), poursuit un double objectif: la restauration de l'Etat de droit et le rétablissement de la Démocratie à Madagascar. Il prône et oeuvre pour la liberté d'expression, la prise de conscience citoyenne et la mise en place d'une vraie démocratie dont l'exigence première est la tenue d'un processus électoral inclusif, libre et transparent ".