samedi 29 mars 2014

29 marsa 1947 - 29 marsa 2014: Iray ihany ny fahavalo tamin'izany ka hatramin'izao.



Ho fanamarihana ny Tolom-panafahana nataon'ireo Malagasy Tia Tanindrazana niady sy mamoy ny ainy nanohatra ny mpanjana-tany frantsay.


Azo ambara fa iray ihany ny fahavalo tamin'izany ka hatramin'izao, dia ireo tompo-menakely tsy mitsahatra mangorona ny harenantsika. Ny endrim-panjanahana fotsiny no tsy mitovy fa ny fototra dia iray ihany. 

Mbola hanaiky hatrany ve isika ho zanahin'ny mpanjana-tany? Io no fanontaniana mibosesika ao an-tsaina.

Raha mbola teao mantsy ry dadabe, ry bebe, ry dada sy ry neny dia tsy ho kamboty toy izao ny Malagasy.

Tamin'izany vitsy ireo manam-pahaizana, fa maro no tia Tanindrazana. Ankehitriny kosa, be ireo avara-pianarana fa tsy sahy maneho na menatra mihitsy mijoro amin'ny maha-Malagasy azy.

Be olo-manga isika fa mahantra olon-kendry. Be manam-pahaizana fa mahantra olona tena tia Tanindrazana.

Indreto ary tononkalon-dRado, olo-manga mpanoratra tia Tanindrazana antenaina hamoha indray ny fitiava-Tanindrazana mety matory any anatintsika Malagasy rehetra any.

Mihainoa finaritra Tompoko.



http://youtu.be/4dZv9xtqHp0



Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire


Le GTT INTERNATIONAL, collectif de la diaspora malagasy, dont le siège est à Genève (CH), poursuit un double objectif: la restauration de l'Etat de droit et le rétablissement de la Démocratie à Madagascar. Il prône et oeuvre pour la liberté d'expression, la prise de conscience citoyenne et la mise en place d'une vraie démocratie dont l'exigence première est la tenue d'un processus électoral inclusif, libre et transparent ".