samedi 28 août 2021

MADAGASIKARA: Fisolokiana miafina ! Fangalara-tanin’olon-tsotra tsy roa aman-taniny, iraisana tsikombakomba amin'ny solombavambahoaka ?

 


Talohan'ny niaingany tao Madagasikara mba hihaona amin'ny MEDEF tao Parisy, dia nanao ny asa ratsiny indray i Andry Rajoelina tamin'ny fandaniana ny Lalàna 2021/016, izay nankatoavin'ny solombavambahoaka 9 amin'ireo 18 nanatrika (marihana fa 151 no isan’ny voafidy), ny harivan'ny 30 Jona 2021 tamin'ny 10 ora alina (ora ao an-toerana). 

Tsiahivina fa ny lalàna 2006-031 tamin'ny 2005 dia namaritra fa afaka misitraka ho tompony avy hatrany ireo izay manao ny fanajariana ny tany. Voaharon’io lalàna velona io arak’izany ny ankamaroan’ny mponinaindrindra ny tantsaha (80% n‘ny malagasy).

Manomboka izao anefa, tsy ho toy izany intsony satria ilay lalàna vaovao, ao amin'ny andininy faha-2, 21 sy 22, dia milaza fa ireo manana kara-tany na bokin-tany ihany no afaka mitaky amin'ny maha-tompony azy. Voahilika tanteraka noho izany ny ankamaroan'ny tantsaha.

Marihana ihany koa fa 90%-n'ny tany eto Madagasikara dia tsy mbola manana ny kara-tany, noho izany dia mety ho loza mitatao izao fiovan'ny làlana izao . 

Ny tanjon'ny governemanta Rajoelina moa dia ny hahamora ny fakana tanin’olona na tanàna hanaovana ny fitrandrahana ireo harena ankibon'ny tany ho tombontsoan'ireo vahiny.

Tsiahivina ihany koa fa hatramin'ny fanonganam-panjakana ny taona 2009 nataon'Andriamatoa Rajoelina sy ireo namany, izay natao fitaovana tamin’izany ny  "raharaha Daewoo", ary niaraha-nahita koa nandritra ny taona maro, dia nolazaina ho dahalo avokoa ireo mponina any ambanivohitra manelingelina ary novonoina ankolaka na mivantana mba ahazoana ny tanin'izy ireo. Vokatr’izany dia ny fahantrana tsy roa aman-tany, miampy ny kere manjo ireo mponina amin'izao fotoana izao, raha tsy hiteny afa-tsy ny any amin'ny faritra atsimo.  

Manaitra antsika Malagasy rehetra tsy ankanavaka ary mba hietsika, hitraotra sy handà amin’ny hery rehetra ny fampahoriana ataon’ io fitondrana io, toy ny ataon’ireo mponina any amin'ny firenen-kafa maro (Brezila, Afrika ary Azia) manoloana ny fivarotana tanindrazana sy tsikombakomban'ireo mpitondra andevon’ny vola sy ny tombotsoa manokana.

Tokony ampiseho sy hijoro ho olom-pirenena tompon’andraikitra ny malagasy tsirairay ka handray anjara mavitrika amin’ny fiainam-pirenena. Anisan’ny fahamehana tokony imasoana izany.

Mila fanaraha-maso hentitra ny asan’ireo olomboafidy rehetra tsy ankanavaka. Tsy azo ekena intsony ireo manampahefana voafidim-bahoaka, mandray ny volam-bahoaka, mitonon-tena ho tompon’andraikitra, kanefa tsy manao tatitra na manome fanazavana ara-potoana ny vahoaka. 

Antoky ny DEMOKRASIA izany mba tsy hahatonga azy ho sadasada sy fitaovana entina handemena ny saim-bahoaka fotsiny.


28/08/2021

GTT International - Genève




Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire


Le GTT INTERNATIONAL, collectif de la diaspora malagasy, dont le siège est à Genève (CH), poursuit un double objectif: la restauration de l'Etat de droit et le rétablissement de la Démocratie à Madagascar. Il prône et oeuvre pour la liberté d'expression, la prise de conscience citoyenne et la mise en place d'une vraie démocratie dont l'exigence première est la tenue d'un processus électoral inclusif, libre et transparent ".