jeudi 9 août 2012

FANAMBARAN'NY GTT INTERNATIONAL - GENEVE


 
Malagasy Mandresy, Madagasikara Afaka
Peuple Malagasy Gagnant. Madagasikara Libre
Winner Malagasy People. Free Madagasikara


Fihaonana tany Seychelles 08 aogositra 2012
TSY NISY VOKANY !


Araka ny loharanom-baovao azo avy any Seychelles dia tsy nitondra vokany ary tsy nahomby ny Fihaonana an-tampony natao  omaly 8 aogositra 2012, izay nifampidinihan’ny Filoha Ravalomanana sy Rajoelina teo ambany fanelanelanan’ny Troïka SADC.

Vaha-olana ho an’ny krizy lavareny mahazo ny Firenena no nokatsahina tamin’izany kanefa dia tsy nisy valiny fa toy ny teo aloha hatrany.

Porofon’izany, ny fanambarana nataon-dRajoelina teo Ivato ny Talata 07 aogositra 2012 raha hiainga ho any Seychelles izy.
Nolazainy mazava fa “tsy mahazo mody an-Tanindrazana ny Filoha Ravalomanana ary tsy mahazo ihany koa milatsaka ho kandidà ho filoham-pirenena”. Kanefa momba izany indrindra no anisan’ny votoatin’ny fihaonana.
 
Midika izany fa tsy nisy finiavana hitady vahaolana velively avy amin’i Rajoelina Andry. Ny toetra tsy matotra izay nasehony ka nanaovany fiantsiana talohan’ny niaingany teny Ivato dia midika ny tsy fanajana ny toromarika izay napetraky ny SADC mba hahatontosa ny fihaonan’ny roa tonta.

Arak’izany dia notsipahin’i Andry Rajoelina ny fampiharana ny andinin’ny faha-20 ao amin’ny tondrozotra, izay nekeny sy nataony sonia ampahibemaso.

Mazava izany fa olona tsy azo atokisana Atoa Andry Rajoelina, ary efa nasehony ombieny ombieny izany. Tsy vitan’ny fanaovana tsinotsinona ny Malagasy no ataony fa manao takalon’aina ihany koa ny vahoaka 20 tapitrisa.

Koa ambaranay GTT INTERNATIONAL-GENEVE ampahibemaso fa Atoa Rajoelina no tompon’andraikitra tanteraka amin’ny tsy fahombiazan’ny dinika ka mampikatso ny fitadiavam-bahaolana.

Noho izany, dia manery ny SADC izahay:
  • hampihatra ny sazy faran’izay henjana ho an’Andriamatoa Andry Rajoelina amin’izao fanitsakitsahany ny herimpon’ny SADC sy ny Malagasy iray manontolo izao.
  • handray ny andraikiny hampody sy hitondra ary hiantoka ny fiarovana amin’ny fomba rehetra ny Filoha Ravalomanana any an-Tanindrazana, ahafahana manatontosa ny Fihaonan’ny samy Malagasy ao Antananarivo.
  • tsy hanao fihaonana fandanian’andro intsony fa hijery ny tombotsoan’ny Malagasy izay efa mihamaty tsikelikely amin’ny lafiny rehetra (3/4 ny Malagasy dia miaina ao anatin’ny fahantrana farahidiny hoy ny INSTAT).
Farany, miantso ny Malagasy rehetra izahay handray an-tànana ny hoavin’ny Tanindrazana ary tsy hanadino fa mpandroba fahefana i Andry Rajoelina ka tsy mendrika ny antsoina hoe Filoha velively akory. Ny Filoha dia iray ihany: Atoa Marc RAVALOMANANA izay voafidim-bahoaka.

Genève, faha 9 aogositra 2012


2 commentaires:

  1. Marina mihitsy izany. Tokony ho saziana satria olona tsy voafidy Rajoelina fa mpanongam-panjakana, kanefa dia manao otage ny vahoaka malagasy, mahantra. Ny fari-piainana mitontongana, betsaka ny zaza tsy mianatra,...

    RépondreSupprimer
  2. Hotanteraka anie ireto rehetra ireto @izay raha tsy izàny dia ho eo faona io Andry Rajoelina io mandritran'ny 10(folo) taona :
    Noho izany, dia manery ny SADC izahay:

    "hampihatra ny sazy faran’izay henjana ho an’Andriamatoa Andry Rajoelina amin’izao fanitsakitsahany ny herimpon’ny SADC sy ny Malagasy iray manontolo izao.
    handray ny andraikiny hampody sy hitondra ary hiantoka ny fiarovana amin’ny fomba rehetra ny Filoha Ravalomanana any an-Tanindrazana, ahafahana manatontosa ny Fihaonan’ny samy Malagasy ao Antananarivo.
    tsy hanao fihaonana fandanian’andro intsony fa hijery ny tombotsoan’ny Malagasy izay efa mihamaty tsikelikely amin’ny lafiny rehetra (3/4 ny Malagasy dia miaina ao anatin’ny fahantrana farahidiny hoy ny INSTAT).

    Farany, miantso ny Malagasy rehetra izahay handray an-tànana ny hoavin’ny Tanindrazana ary tsy hanadino fa mpandroba fahefana i Andry Rajoelina ka tsy mendrika ny antsoina hoe Filoha velively akory. Ny Filoha dia iray ihany: Atoa Marc RAVALOMANANA izay voafidim-bahoaka."

    RépondreSupprimer


Le GTT INTERNATIONAL, collectif de la diaspora malagasy, dont le siège est à Genève (CH), poursuit un double objectif: la restauration de l'Etat de droit et le rétablissement de la Démocratie à Madagascar. Il prône et oeuvre pour la liberté d'expression, la prise de conscience citoyenne et la mise en place d'une vraie démocratie dont l'exigence première est la tenue d'un processus électoral inclusif, libre et transparent ".