jeudi 27 juin 2013

Lalao Ravalomanana: Fahaleovantena: Mitodika amin'ny fifidianana Filohan'ny Repoblika ny saina.


Antananarivo, 26 jiona 2013
Madagasikara : andro fankalazana ny Fahaleovantena. Mitodika amin'ny fifidianana Filohan'ny Repoblika ny saina.
Madagasikara, 26 jiona 2013: Nanao antso avo ny Kandidà Lalao RAVALOMANANA tamin'ny fetin'ny Fahaleovantenam-pirenena, mba hanatontosana fifidianana malalaka sy mangarahara an-karihary ary mba hamaranana izao fahasahiranambe amin'ny politika izao.
Ny hampiverina an'i Madagasikara amin'ny laoniny no tsinjovin-dRamatoa Lalao RAVALOMANANA, vadin'ny Filoha teo aloha, amin'ny fifidianana voalohany manaja demokrasia hatao eto aorinan'ny nandrombahana miaramila ny fahefana tamin'ny 2009. Mba hiverina mitombina sy marin-toerana ny politika, ary mba ho afaka hiroborobo ny Firenena.
Hoy ny nambarany teto Antananarivo : "Andro iray toa zato ny andro ankalazana ny Fahaleovantena amin'ny Vahoaka Malagasy. Andro ho amin'ny firaisan-kina sy fihavanana anatin'ny fitoniana sy ny fanantenana. Andro fampisehoana amin'izao tontolo izao ny soa sy tsaran'ny Firenentsika. Amin'ny tany mandàla ny demôkrasia ary miaina pôlitika mitombina sy marin-toerana no afaka tena hahaleotena marina. Tsy hita hotanisaina raha ny anjara zava-tsoa entintsika ho an'izao tontolo izao, na amin'izato haren'ny fomba aman-kolontsaintsika, na amin'reto haren'ny tany sy ny ranomasintsika. Tojo fitondrana baranahiny tanatin'ny taona vitsivitsy anefa i Madagasikara ka very hasina. Very fatokisana azy ny eo an-tsehatra iraisam-pirenena".
"Andro fankalazàna ny androany. Sady andro araraotina koa hamelana ny lasa homba ny lasa, ary hisantarana vanin-tantara vaovao ho an'i Madagasikara sy ho an'i Afrika. Mitsinjova lavitra isika. Mitsinjova mihoatra ny sisin-tany. Raisontsika andraikitra ny olana mahazo antsika fa izany no hahazoantsika mitondra ny anjara biriky eo anivon'izao tontolo izao, ary ahazoana manorina firenena mitombina marin-toerana, sambatra sy miroborobo".
Olon-kofidiana ho Filoham-pirenena Ramatoa RAVALOMANANA. Ny Ankolafy Ravalomanana, izay iombonan'ny antoko maro, no nanolotra azy. Izy no olon-kofidiana tombanana ho mahazo vahana indrindra. Mifantoka amin'ny fampitomboana ny vola miditra hampiasaina mivantana eto sy amin'ny fanampiana iraisam-pirenena ny hevitra entiny ijoroana amin'ny fifidianana. Samy nitsahatra mantsy ireo hatramin'ny 2009 nandrombahan'ny mpitondra ankehitriny ny fahefana.
Matoky Ramatoa RAVALOMANANA fa vitany ny mitondra an'i Madagasikara ho zina ary hampody aminy indray ny fitokisan'ny fianakaviambe iraisam-pirenena.
Ramatoa RAVALOMANANA no vehivavy fahatelo mitondra fanjakana eto Afrika raha tafita mandresy. Ny haren-tsoa koloin'ireo vehivavy mpitarika eto Madagasikara no ianteherany amin'izany, miaraka amin'ny fomba mampisongadina ny anjara birikin'ny vehivavy eto amintsika.
Vadin'ny Filoha izay nitondra an'i Madagasikara tamin'ny 2002 - 2009 Ramatoa RAVALOMANANA. Ny mpitondra ankehitriny no nanala taman-kery ny Filoha ary anisan'ny mirotsaka hofidiana ihany koa izy io na dia efa nilokaloka ny tsy hirotsaka aza.
TAPITRA
Fanamarihana :
Ramatoa Lalao RAVALOMANANA dia kandidà hofidiana Filohan'ny Repoblika. Manolotra azy ny Ankolafy RAVALOMANANA izay fivondronan'antoko politika samy mandàla ny famerenana ny fandriam-pahalemana, ny filaminana sy ny fampiroboroboana ny soan'i Madagasikara. Tsidiho ny takelaka Flickr an'ny Ankolafy Ravalomanana : azo akana sary amin'ny sokajiny mazava.
http://www.flickr.com/photos/96646855@N04/ Fifandraisana ahazoana vaovao ho an'ny gazety ny press@ravalomanana2013.com na ny +261 34 07 200 77. 

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire


Le GTT INTERNATIONAL, collectif de la diaspora malagasy, dont le siège est à Genève (CH), poursuit un double objectif: la restauration de l'Etat de droit et le rétablissement de la Démocratie à Madagascar. Il prône et oeuvre pour la liberté d'expression, la prise de conscience citoyenne et la mise en place d'une vraie démocratie dont l'exigence première est la tenue d'un processus électoral inclusif, libre et transparent ".