mardi 13 août 2013

FANAMBARANA : « Halohalika ny ranom-bary: Angatahanay ny fialàn’ny mpitarika ny ankolafy Ravalomanana »

Malagasy Mandresy, Madagasikara Afaka
Peuple Malagasy Gagnant. Madagasikara Libre
Winner Malagasy People. Free Madagasikara
FANAMBARANA

« Halohalika ny ranom-bary: Angatahanay ny fialàn’ny mpitarika ny ankolafy Ravalomanana »


Manoloana ny fizotran’ny raharaham-pirenena, dia tsy hainay GTT International Genève ny hangina ka raisinay ho adidy no manao izao fanambarana izao.
Efa 4 taona sy tapany izao no latsaka ao anaty hady mangitsokitsoka ny Firenena noho ny asa ratsin’i Rajoelina sy ny mpomba azy. Ny vahoaka dia tsy hay lazaina intsony ny fahoriana manjo azy fa 9/10 no mahantra farahidiny. 4 taona mahery koa izao no naha sesi-tany ny Filoha kanefa ny fiverenany no natao fahamehana tany am-boalohany. Izao indray dia ny kandidà Lalao Ravalomanana no atao izay hanilihana amin’ny fomba rehetra rehefa avy voapetraka tamin’ny NiNi ny Filoha.
Tsy mihambahamba izahay milaza fa anisan’ny tompon’andraikitra mivantana amin’ireo zava-misy ireo ianareo ao amin’ny ankolafy Ravalomanana satria:
1-       Nekenareo ary nataonareo Sonia ny Tondrozotra na dia hita mazava izao aza fa mitongilana any amin’ny mpamadika. Ambonin’izany, dia efa nilaza ampahibemaso ny Filoha Ravalomanana fa tsy ekena io Tondrozotra io, kanefa dia ny mifanohitra amin’izany ny safidinareo. Ary tsiahivina etoana fa i Mamy Rakotoarivelo irery tamin’izany no nahatsapa niaraka amin’ny mpanongana fa mandeha ny fampiharana ny Tondrozotra ! Fanohanana ny mpanongam-panjakana izany aminay.
2-       Nanapa-kevitra ianareo hiditra tao amin’ny governemanta tetezamita raha nomena ministera 5 amin’ny 35, ary mbola miara-mitondra ao ianareo ankehitriny. Narosonareo tamin’izany ny hoe tsy mety ny mihataka tanteraka fa aleo avy ao anatiny no miady ! Fiaraha-miasa amin’ny mpangalatra sy mpandroba fanjakana izany aminay.
3-       Tsy nahazo ny tohana sahaza azy avy amin’ny ankolafy Ravalomanana ny fanelanelanana notarihin’ny FFKM, kanefa io no anisan’ny làlana ahafahan’ny Filoha miverina eto an-toerana ka ahitana vaha-olana amin’ny samy Malagasy. Hita sy tsapa izany teny Ivato raha vitsy dia vitsy ny solontena avy amin’ny ankolafy Ravalomanana kanefa ny hafa dia saika vory teny daholo. Ary ny mahatsikaiky sy mampalahelo dia toy ny hafa indray no miady ho an’ny Filoha Ravalomanana fa tsy ny olona ao aminy ! Fitazonana an-tsesi-tany ny Filoha Ravalomanana izany aminay.
4-       Nisafidy ny handray anjara ao anatin’ny CES vaovao ihany koa ianareo na dia hita mibaribary aza fa tetika hanilihana tanteraka an’I Lalao Ravalomanana no napetraky ny GIC-M sy nanereny an-dRajoelina hamorona CES vaovao hanafoana ny fahazoan’ny Lalao Ravalomanana milatsaka ho fidiana. Nekenareo izany fanosihosena ny fiandrianam-pirenena izany. Marihana fa anisan’ny nanao Sonia nanome alàlana io fananganana CES vaovao io ianareo sady nanambara koa avy eo fa I Lalao Ravalomanana ihany no tohananareo. Tsy mitombona izany aminay ary fihatsaram-belatsihy tsy mihoatra izany!

Tsapa sy hita ary fa:
·         Tsy nitondra vokany velively ho an’ny Firenena ny fisianareo tao amin’ny fitondrana, vao mainka aza nampahazo vahana ny mpanongana ny fiaraha-mitantana nataonareo,
·         Tsy nanao ny asa amin’ny maha-mpanohatra anareo ianareo fa kajikajy sy tetika ambadika no betsaka ka namily ny tolona tsy ho araky ny tokony ho izy intsony. Fanina sy diso fanantenana ary tofoka ny vahoaka. Mahatsiaro voafitaka izy ireo: ny mpanongana mbola eo amin’ny fitondrana, ny Filoha mbola an-tsesi-tany,
·         Tsy nekenareo ary tsy ho ekenareo velively ny maha-kandidà an’I Lalao Ravalomanana. Fanohanana am-bava fotsiny no ataonareo azy, entina hamitahana ny vahoaka,
·         Tsy fahamehana aminareo intsony ny famerenana ny Filoha an-Tanindrazana,
·         mpiray tsikombakomba amin’ny fahavalo mpanongana sy ny frantsay mpanohana azy ianareo amin’ireo voalaza rehetra ireo.

Halohalika ny ranom-bary, fanavotam-pirenena no atao, ka mazava ny teninay GTT International-Genève: AMPY IZAY, koa:
1.       Mangataka ny Filoha Ravalomanana, izay “chef de file” n’ny ankolafy, izahay mba hanala ireo rehetra mifikitra amin'ny sezany, faly migoka ny tombontsoa sy mandray ny karama be omen’ny FAT, ka manimba sy mamadika ny tolona ary mitondra ny Malagasy any amin'ny aizina mangitsokitsoka,
2.       Mangataka koa izahay an’i Rtoa Lalao Ravalomanana, izay mpitondra faneva sy fanantenan’ny vahoaka tan-dalàna nitolona sy niharitra ny fangirifiriana nandritra ny 4 taona sy tapany, mba hanome mazava ny sori-dàlana arahina, indrindra manoloana ny tetika sy ny fihetsiky ny ankolafy.




Genève, 13 aogositra 2013


GTT Iraisampirenena-Genève
GTT International–Genève


Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire


Le GTT INTERNATIONAL, collectif de la diaspora malagasy, dont le siège est à Genève (CH), poursuit un double objectif: la restauration de l'Etat de droit et le rétablissement de la Démocratie à Madagascar. Il prône et oeuvre pour la liberté d'expression, la prise de conscience citoyenne et la mise en place d'une vraie démocratie dont l'exigence première est la tenue d'un processus électoral inclusif, libre et transparent ".