vendredi 20 septembre 2013

FANAMBARAN'NY ANTOKO TEZA

FANAMBARANA

Koa satria efa hody eto an-tanindrazana mialohan’ny fampielezan-kevitra ny filoha Ravalomanana, araka ny teniny sy ny fifampiraharahana  izay nataony, , dia hino isika fa ho voavahany izany   io olana iray lehibe io ary iderana azy manokana izany ary hivalona tanteraka iny olana iny

Koa aleo hiroso tanteraka  amin’izay hamaha  ny olana fototra mianjady amin’ny firenena ka tsy ahatonga ny krizy miverimberina intsony. Amin’izao taona arivo fahatelo izao, amin’izao taon-jato faha-21 izao dia tsy mendritra ny vahoaka malagasy intsony ary lavinay tanteraka,  ny fanaovana sarintsarim-pifidianana hametrahana rajakom-bazaha sy hanerena ny sasany ho haingon-tsehatra demokratika fotsiny.

Noho izany, dia :
1-      Miantso ny mpiray tanindrazana rehetra, ny ankolafin-kery samihafa mba hiroso tsy misy hatak’andro  ho amin’ny fanorenana firenena vaovao mifototra amin’ny demokrasia malagasy, ka hiara-handinika sy hiaro ary hanatenteraka ny lalam-panorenana, lalam-pifidianana ary ny lalana mifehy ny antoko tena niadian-kevitra tsy nifanilihana. Ho reherehantsika mianakavy eo anatrehan’izao tontolo izao ny fahavitantsika izany
2-      Miantso ny FFKM, hampanjary ny fehin-kevitra niraisan’ny rehetra teny amin’ny CCI Ivato ny 18 Avrily sy ny 03 ka hatramin’ny 05 Mai 2013 . Fantatrareo tsara fa ny fifidianana dia loharanom-pikorontanana, eny na dia amin’ny vanim-potoana tsotra aza, maika fa amin’izao vanim-potoana misy ny firenentsika izao, izay mbola manjavozavo tanteraka izany fahatoniana izany.  Antsoy ny rehetra hivory, hifandinika indray aloha fa firenena iaraha-manana ity. Sao sanatria ka tafalatsaka  amin’ny hantsan’ny ady hatrano lalina isika  ka ho nenina tsy roa aman-tany. Aleo misoroka mialoha toy izay latsa-panenenana avy eo
3-      Manao antso avo amin’ny firenen-drehetra ihany koa isika, fa raha te-hanampy marina ny firenena malagasy tokoa ianareo dia hampio izahay hamerina  ireo vidin’ny harena norobain’ny jiolahy ka naondrany any ivelany, vola izay heverinay fa ampy tsara ho enti-manana amin’ny adihevitry ny samy malagasy sy hanaovanay fifidianana teny ierana tsara. Tsy hangataka zavatra maro aminareo izahay ary mihevitra izahay fa azonareo atao tsara izany ary fanampiana mendrika ny Malagasy.

Masina ny Tanindrazana iombonana


Ny  Antoko TEZA

1 commentaire:

  1. Satria izy milaza fa hody antanindrazana araky nolazainy sy ny fifanarahana izay nataony : HOY NY TEZA. Ny fanontaniana apetraka @ TEZA .Tsy ny ampody azy ve no antony nidiranareo tao anaty GVT, CST, CT ? Inona no mba vitanareo tao ?mikikika sy nandray vola fotsiny no zava-bitanareo tao .Raha izay v no hitany vaha olana ampody azy ,tsy aleony v manohana an'i ROBINSIN,? Tsy tohiny maneso an'i Pdt RAVALOMANANA v ny fanambaranareo? Tsy maintsy mandeha amin'izao lalana izao izy satria ianareo tsy nahavita ny mission nampanaoviny anareo,fa ny toerana no mahamaika anareo.

    RépondreSupprimer


Le GTT INTERNATIONAL, collectif de la diaspora malagasy, dont le siège est à Genève (CH), poursuit un double objectif: la restauration de l'Etat de droit et le rétablissement de la Démocratie à Madagascar. Il prône et oeuvre pour la liberté d'expression, la prise de conscience citoyenne et la mise en place d'une vraie démocratie dont l'exigence première est la tenue d'un processus électoral inclusif, libre et transparent ".