vendredi 26 mai 2017

Ny aretin'ny tontolon'ny Fitsarana ao Madagasikara, araky ny fijerin'ny SMM (Vidéo)

Nivahiny manokana tao amin'ny TV+ Madagascar ireo mpikambana vitsivitsy ao amin'ny SMM (Sendikan'ny Mpitsara Malagasy) tamin'ny 24 May 2014 teo.

Tsy misy izay tsy mikaikaika rehefa Malagasy mikasika ny tontolon'ny fitsarana, ary ny raharaha Claudine Razaimamonjy dia nanaporofo tsara ny aretina mikiky sy ny tsy fitovian'ny Malagasy eo anatrehan'ny fitsarana.

Novelabelarin'izy ireo sy nazavainy tamin'ny antsipirihany ny olana goavana misy ka manageja ny fitsarana eto amin'ny Firenena, dia ny tsy fisian'ny atao hoe "FAHALEOVANTENA" ahafahana mampihatra ny fahefan'ny mpitsara. Eo ambany fifehezan'ny fitondrana "exécutif" tanteraka ny Fitsarana, ary "na ny vola ampiasain'izy ireo aza dia eo ambanin'ny ministeran'ny Fitsarana" ihany koa.

Kanefa, hoy ny SMM, dia io FAHALEOVANTENAN'NY FITSARANA io no antoky ny demokrasia. Tsy hisy fandrosoana azo eritreretina raha toa ka tsy afaka manao ny asany am-pahalalahana ny fitsarana. Mitolona lalandava ny hisian'izany ry zareo, ary MENDRIKA FANOHANANA.

https://www.youtube.com/watch?v=8HZvarFIW4A





2 commentaires:

  1. Non, Non, et Non. Tsy azo atao mihintsy ny manome izany fahaleovantena izany ho an'ny fitsarana. Tsy omena fahaleovan-tena aza ianareo ka efa io no ataonareo ka. Inona moa no mahatonga ny olona tsy mitondra intsony ny olon-dratsy any @ fitsarana raha tsy hoe tsy matoky anareo ny 90 isn-jaton'ny vahoaka. NY mpitsara vao miasa iray taona ihany dia jereo ny fiainany. Avy aiza daholo reo. Possible @ mpiasam-panjakana ve ny hanana ohatra anareo mpitsara io. Tsy matoky anareo ny vahoaka ka mahatonga ny mpitondra tsy manoma ny fahefana anareo

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. Fomba fijerinao io nasehonao io. Inona no nahatonga ny fitsarana ho toy izao raha tsy fitsabahan'ny fitondrana amin'ny raharaham-pitsarana ka mahatonga ny fisian'ny "justice à niveaux"? Misy mitolona ny tsy hisian'izany tsindry izany amo amin'ny mpitsara ka mendrika ny mba tohanana aloha.

      Supprimer


Le GTT INTERNATIONAL, collectif de la diaspora malagasy, dont le siège est à Genève (CH), poursuit un double objectif: la restauration de l'Etat de droit et le rétablissement de la Démocratie à Madagascar. Il prône et oeuvre pour la liberté d'expression, la prise de conscience citoyenne et la mise en place d'une vraie démocratie dont l'exigence première est la tenue d'un processus électoral inclusif, libre et transparent ".