jeudi 29 septembre 2011

Alarobia 28/09/2011 - Hetsika niarahan'ny VOT sy ny Fianakavian'ny voafonja 2009

Nidina an-dalambe nilanja sorambaventy ny VOT sy  ny fianakavian' ireo gadra politika zay mbola any amponja. Nanomboka tamin'ny  2ora tolak'andro ny hetsika ary  nizotra nakany ankianja Magro.



Mitaky tsy misy fepetra izy ireo ny ampiharan'ny Iraisam-pirenena, indrindra ireo vondron'ny mpanelanelana  vahiny sy ireo mpitondra tsy ara-dalana be marenina ireo ny zavatra voatapaka sy nifampiraharahana  mba ho famahana  ny krizy eto Madagascar izay mampitondra faisana tokoa ny vahoaka madinika Malagasy.

Nohamafisin'izy ireo koa ny fampodina tsy misy fepetra eto an-Tanindrazana an'Atoa Filoha Marc Ravalomanana, Filoha lanim-bahoaka. Ary tsy hangina izahay hoy izy ireo raha tsy migadona eto an-Tanindrazana ny Filoha lanim-mbahoka taminy fomba madio sy demokratika.

Notakian'izy ireo koa ny famoahana tsy misy hatak'andro ireo gadra politika sivily sy miaramila  izay mbola ataon'ny FAT takalon'aina any amponja hatramin'izay ka hatramin'izao. Nohamafisiny koa fa manjaka tanteraka ny fanosihosena ny zon'olombelona eto Madagasikara ankehitriny. Ka nanao antso avo ho an'ny vondrona  iraisam-pirenena izy ireo fa mijaly ny vahoaka Malagasy ary noana sy miaina ao anatin'ny fahantrana tanteraka.

Tsipahin'izy ireo an-kitsirano ny fanomezana avara-patana ireo mpanongam-panjakana eo amin'ny sehatra rehetra. 

Noho izany rehetra izany dia hitohy ny Tolona ary tsy hijanona fa hiakatra avo dia avo ny hetsika atao. Tsy hiantehatra amin'ny mpanao politika izahay Vahoaka hoy ihany izy ireo fa hijoro manerana ny faritra rehetra eran'ny Nosy ary hitohy hatrany ny hetsika an-dalambe.






mercredi 28 septembre 2011

Akon-gazety momba ny Hetsika an-Tanindrazana


Politique

GTT Iraisam-pirenena Tsy mila hankatoavina Rajoelina

27/09/2011
Manoloana ny fihazakazaky ny toe-draharaham-pirenena, eo koa ny fandeferana nataon’ireo ankolafy roa mpanohitra nanao sonia ilay sori-dalana hivoahana amin’ny krizy dia toa maneho fa tsy vonona hiara-kiasa ny mpanongam-panjakana, araka ny taratasy nalefan’ny vondron’ny GTT Iraisam-pirenena ho an’ireo tompon’andraikitra eoropeanina.
 Tanisain’izy ireo amin’izany ny NOTAM navoaka hanakanana ny filoha Marc Ravalomanana hody an-tanindrazana sy ny fikasana hisambotra ity farany any Afrika Atsimo. Miantso ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Vondrona Eoropeanina ity vondrona ity mba hitazona hatrany ny fanekena sy ny toerany nandritry ny krizy ka tsy hanome fankatoavana fa hitazona hatrany ny sazy ho an’ny FAT. Nohamafisin’izy ireo rahateo fa araka ny andininy faha-34 ao anatin’ilay sori-dalana dia mametra fa tsy hahazo izany fankatoavana iraisam-pirenena izany mihitsy ny filoha sy ny governemantan’ny tetezamita raha tsy efa tafapetraka ireo rafitra tenierana, handraisan’ny rehetra anjara. Eo koa ny andininy faha-41 milaza fa ny fanafoanana tsikelikely ireo sazy dia miankina amin’ny fanatanterahana ireo dingana rehetra voalaza ao anatin’ny sori-dalana.
Ny andininy faha-43 moa dia manambara fa raha toa ka tsinontsiniavina izany sori-dalana izany dia mety handray fepetra ho an’ireo izay nandika ny sori-dalana ireo mpiray ombon’antoka. Notsiahivin’ny GTT Iraisam-pirenena ao anatin’ilay taratasy moa fa nomelohin’ny Vondrona sy ny Parlemanta Eoropeanina ny fanonganam-panjakana niseho teto Madagasikara. Noho izany rehetra izany, hoy ny GTT Iraisam-pirenena dia tsy azo heverina ny hanomezan’ity vondrona ity fankatoavana ho an’ireo misolotena ny fanjakana tsy ara-dalàna, mpanongam-panjakana. Miantso ny amin’ny tokony hisiana fihaonana eo amin’ireo filohan’ny Ankolafy koa ny GTT Iraisam-pirenena ho fampiharana sy fanaganana ny tena tetezamita iaraha-mitantana.
Nangonin’i Soa

Politique

Vondron’olon-tsotra Ambatondrazaka Ravalomanana tonga eto no hamaha ny krizy

27/09/2011
Nidina an-dalambe toy ny fanaony indray ny faran’ny herinandro teo ny vahoaka ao anaty ny fikambanana Vondrona olon-tsotra (VOT) any Ambatondrazaka.
 Sorabaventy maro no nolanjain’izy ireo tamin’izany toy ny hoe : «Tanindrazan’ny Malagasy rehetra i Madagasikara», «Tanteraho ny Sandton !», «Foano ny mandat d’arrêt !» … Malaina hiala amin’ny krizy ny FAT raha ny fijerin’ny VOT any Ambatondrazaka azy. Sarotra anefa ny hisian’ny fitoniana politika raha tsy mody eto an-tanindrazana avokoa ireo nanao sesitany ny tenany hatramin’izay, noho nyantony politika, indrindra ny filoha Marc Ravalomanana. Ny tondrozotran’ny Sandton izay natao sonia farany teo no efa namaritra izany, hoy izy ireo kanefa toa mbola misy mpanao politika minia mamilivily ny resaka indray. Inona, hoy ireto vondrona olon-tsotra any Ambatondrazaka ireto no tsy hampodiana ny filoha Marc Ravalomanana raha tiana hiala amin’izao krizy mahazo azy izao ny vahoaka malagasy ? Aoka izay ny fihatsarambelatsihy sy ny fanaovana mpitari-bato vilam-bava fa izay hitantanana miaraka sy hampandrosoana ny firenena no tokony hokatsahina. Efa nandefitra nandritra ny 30 volana ny vahoaka Malagasy.
Betsaka ny very asa sy tsy manan-kohanina, manjaka ny asan-jiolahy sy ny mpanao sinto-mahery. Nametraka fanantenana betsaka ho an’ny Malagasy ilay fanaovan-tsonia ny tondrozotra kanefa indrisy fa mikatso sahady ny fanatanterahana ilay izy. Mbola manana fanantenana anefa izy ireo fa tsy maintsy higadona tsy ho ela eto Madagasikara ny filoha Marc Ravalomanana. Nisy ny fidirana an-telefaonina mivantana natao ny tompon’andraikitra ny GTT International Genève nandritra io fotoana io izay nampahafantarana fa tsy olon-dratsy akory ny filoha Marc Ravalomanana ka hoe hosamborina. Nisy ny fanomezana toromarika ho an’ireo vahoaka mpitolona mba tsy handairana tsaho fa hanankina ny tolona izay atao amin’Andriamanitra. Nampiavaka ny hetsika natao ny VOT Ambatondrazaka ny faran’ny herinandro teo ity ny fandehanana teo amin’ny tsangambaton’ny Maherifon’ny 1947. Marihina fa toerana maro manerana ny Nosy no niara-nanatanteraka hetsika toy ity nataon’ny VOT Ambatondrazaka ity.

Niry A.

Sary : Hetsiky ny Vondrona olon-tsotra tany Ambatondrazaka

mardi 27 septembre 2011

TGV, persona non grata en Europe



M. José Manuel Baroso, Président de la Commission Européenne  a refusé de recevoir le putschiste en chef Rajoelina ce lundi 26/09/2011. C’est la preuve que l’UE ne s’est pas laissée impressionner par la tribune accordée au chef de la HAT à l’ONU. 


Manifestement, la reconnaissance internationale a encore du chemin à faire pour TGV. La décision du Président Baroso, humiliante pour les putschistes,  est en parfaite cohérence  avec la position ferme et intransigeante adoptée par l’UE tout au long de cette crise.


Notons que la Diaspora, à l’initiative du GTT INTERNATIONAL GENEVE, s’est mobilisée en adressant massivement un message qui demande aux Autorités européennes de ne pas se laisser séduire par le putschiste Rajoelina mais de maintenir l’engagement et la position qu’elles ont observés tout au long de la crise, de s’abstenir de toute forme de reconnaissance, et de maintenir les sanctions vis à vis du régime de la HAT (Haute Autorité de la Transition).


Cette action massive a sans doute influencé la décision du Président de la Commission Européenne.



dimanche 25 septembre 2011

TOAMASINA 24/09/2011: Sarin'ny RODOBE NIOMBONANA











HETSIKY NY VOT TOAMASINA 24/09/2011 (Sary sy Hafatra)


Nanao hetsika nidina an-dalambe ny VOT TOAMASINA ny asabotsy 24/09/2011. Nanomboka teo amin’ny Hopitaly kely ny filaharana ka niafara teny amin’ny kianja Magro Salazamay.
Nifantoka taminy fanamafisana ny fitakina ny fodian'ny Filoha Marc Ravalomanana eto an-Tanindrazana tsy misy fepetra ary ny famoahana an’ireo gadra politika mbola any amponja tsy misy hatak'andro ny hetsika natao.
Tsy eken’izy ireo koa ny hanomezana vahana an’ireo mpanongam-panjakana ary toheriny marindrano ny fihetsika ataon’ireo manamboninahitra miaramila izay tsy manaja ny soatoavina sy ny sata mifehy azy ireo fa miditra mivantana amin’ny sehatra politika. Satria fiarovana ny tombotsoan’olom-bitsy fotsiny izany amin izao fitondrana izao ka manakorontana ny saimbahoka tsy mampisy fitonina eto amin’ny tany sy ny Firenena Malagasy.

Hafatra:
Mitohy ny tolona koa manainga ireo vahoaka Malagasy rehetra manerana ny Nosy sy any am-pitandranomasina mba ho sahy hijoro hiaro ny Tanindrazana sy ny hoavin’ny taranaka faramandimby hitakiana ny tena fahafahana marina eto amin’ny tany sy ny Firenena ary koa hanoherana ny fanjanahana ataon’ny mpanjanaka izay manosihosy ny zon’olombelona, tsy manaja ny soatoavina maha Malagasy. Koa mijoroa, masahia fa
Masina ny Tanindrazana. 
















Le GTT INTERNATIONAL, collectif de la diaspora malagasy, dont le siège est à Genève (CH), poursuit un double objectif: la restauration de l'Etat de droit et le rétablissement de la Démocratie à Madagascar. Il prône et oeuvre pour la liberté d'expression, la prise de conscience citoyenne et la mise en place d'une vraie démocratie dont l'exigence première est la tenue d'un processus électoral inclusif, libre et transparent ".